Zoma 04 septambra 2020 — Herinandro faha-22 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 5, 33-39 — Izaho no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana, hoy ny Tompo, tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.
Fanontaniana naka endrika tsikera no nataon’ireo Farisianina sy ireo mpanora-dalana tamin’i Jesoa, mahakasika ny tsy fifadian-kanina sy ny tsy fivavahana lalandava ataon’ireo mpianany. Mazava ny navalin’i Jesoa fa miala eo amin’izy ireo ny mpampakatra, ka amin’izay vao hifady hanina izy ireo.
Ny mpampakatra tiany ho teneniny eto dia Izy tenany ihany, i Jesoa. Raha mbola eo anivontsika tokoa mantsy Izy, dia tokony hafaliana mandrakariva no hanenika ny fiainantsika. Miara-mifaly aminy no atao, noho izany tsy ilaina mihitsy ny mifady hanina. Ohatra fotsiny rehefa tonga ny Noely, fankalazana ny fahatongavan’i Kristy ho nofo, ny Eglizy dia mamporisika antsika ary handray izany an-kafaliana. Ankilan’izay anefa, dia misy ny andro izay hanesorana ny mpampakatra eto anivontsika, dia ny Zoma Masina izany. Io no amporisihan’ny Eglizy ny hifadiana hanina.
Ny fifadian-kanina izay hataontsika àry dia lalam-pitiavana ho an’Izy Andriamanitra sy ny namana. Lalana izay hanavao ny fomba fiainantsika sy ny fomba fisainantsika ary indrindra ny fiainam-panahintsika. Diovy mandrakariva ary ny fontsika mba hahafahan’Izy Andriamanitra mandrotsaka divay vaovao amin’ny alalan’ireo fahasoavana izay omeny.
Ny fifadian-kanina sy ny fivavahana izay ataontsika ary dia tokony mba ho am-pitiavana no hanaovana izany. Io no antoka amin’ny fananana fo vaovao sy amin’ny fandresena ny toetra ratsy.