Zoma 28 aogositra 2020 — Herinandro faha-21 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 25, 1-13 — Miambena ianareo ary aoka ho vonona: fa ho avy amin’ny ora tsy ampoizinareo ny Zanak’Olona.

0 : 00

Rentsika teo ny fampiaran’i Kristy ny fanjakan’ny Lanitra. Ohariny amin’ny Virjiny 10, miomana hitsena ny mpampakatra avy amin’ny fampakaram-bady.

  • Ny tenany ny mpampakatra ;
  • Ny Eglizy na ny mpino no ampakarina ;
  • Ny fiavian’ny mpampakatra di any fotoam-pitsaràna, ny fiafaran’izao tontolo izao ;
  • Ny sakaizan’ny mpampakatra dia ny tafiky ny Anjely ;
  • Ireo virjiny kosa dia ireo rehetra mitonon-tena ho kristianina ;
  • Ny fanala dia ny fomba fiainan’ny Kristianina amin’ny maha mpanara-dia an’i Kristy azy ;
  • Ny solika dia ny fahasoavana noraisina, ny finoana zaraina sy iainana am-pitiavana izany hoe ny fiainam-pinoana aseho amin’ny fitiava-namana sy fifikirana amin’i Kristy ;
  • Ny fotoana misasakalina dia tandindon’ny fahatampohan’ny fiverenan’i Kristy ;
  • Ny lapan’ny mpampakatra dia ny lanitra, toeran’ny fahamasinana sy ny fiadanana, ary ny hafaliana mandrakizay.

Te ho anisan’ny voaasa va isika, ka hianoka anaty fiadanam-be. Azontsika alain-tahaka ny fiomanana nananan’ireo virjiny hendry. Aoka tsy ho kristianina anarany fotsiny fa tena miaina izay torina sy inoana ary ankalazaina, indrindra ny Eokaristia. Aoka hazava eo imason’ny olona ny fahazavantsika. Ary aoka ny fanirintsika tsy handrendrika antsika eto an-tany fa hampibanjina antsika ny mandrakizay mandrakariva. Be ny ao anatin’ny Eglizy manko no be torimaso, manjehy ny andro ho lava ka marisarisa amin’ny fiainam-pinoana. Hadalàna izany. Ny fahendrena mahasambatra di any fiainana tsy tapaka sy ny fitozoana amin’ny fiainana tena kristianina.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...