19 aogositra 2020 — Herinandro faha-20 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 20, 1-16a — Asehoy ny mpanomponao ny tavanao, ary ampianaro ahy ny fitsarànao.
Ny fihevitr’Andriamanitra tsy fihevitsika olombelona, isika indray no zatra mikajikajy araka izay nampianarina antsika, ka mitady hahay hikajy alohan’Andriamanitra namorona sy nandahatra ary nandrindra izao rehetra izao. Koa tsy tafiditra amin’izany kajikajy izany ny fanjakan’ny lanitra. Mazava ny ohatra nataon’i Jesoa eto : tsy miankina amin’ny ora niasana ny valin-kasasarana, toy ny fanaontsika olombelona ; fa tanjona iray ihany no tian’Andriamanitra ho antsika dia ny hidirantsika rehetra ao amin’ny fanjakany. Satria io fanjakany io no ilay tsy manavaka, tsy tia kely, tsy misy fiangarana, tsy manaonao foana, tsy misy kolikoly na kiantranoantrano, tsy mampidonana-poana, tsy misy fialonana, fa misy anjara sahaza ny rehetra, amin’ny fotoana rehetra ; dia ilay fanjakan’ny fitiavana lavorary, antsoina hoe : fanjakan’ny lanitra. Koa tsy mety mihitsy ny mandidy alohan’Andriamanitra. Izany anefa no mahazatra antsika matetika : isika miseho milay na tompony alohany. Azy nefa io fanjakana io fa tsy antsika ka masi-mandidy amin’ny fananany Izy. Ny tsara ataontsika dia izay hahatongavana any.
Izao koa mantsy : raha vao misy zavatra tsy mifanaraka amin’ny eritreritsika dia somisika ka malaky mimenomenona isika. Eto izao, noho ny fialonana sy ny tiatia kely dia nanantena hahita tombony noho ny sasany ity niditra voalohany tany an-tanim-boaloboka, saingy indrisy izay karama nifanarahana ihany no azo. Nanantena hahita tombony ka vao mainka natombony tao amin’ny fanoharana. Koa nanome izay nifanarahana ny tompon’ny tanim-boaloboka, ka inona no tsy rariny amin’ny nataony ? Koa aza miady ny anjaran’olona sao reraka ! Aza be fialonana fa ny demony no raiben’ny mpialona. Tsarovy fa efa zanak’Andriamanitra isika noho ny Batemy norasintsika, ka aza omena hirika ny demony.
Fa ankoatra izany, misy fomba fisainantsika koa mety mahadiso antsika matetika, toy ny hoe rehefa misy olona tsy tiana na ankahalaina na inona na inona ataony dia mahita hanakianana azy foana isika na efa miezaka ny manao ny tsara aza izy. Tsy mahita ny lafy tsarany aminy mihitsy fa toa zava-doza sy mamohehitra avokoa ny ataony ; ary rehefa tiana na kendrena ho namana kosa dia dokafana foana, hany ka na manao zavatra tsy mety aza hasoasoina sy arovana mandrakariva. Toa ny lafy tsara ihany no hita ka tsy misy ratsy mihitsy. Izany hoe tsy mahita afa-tsy zavatra ratsy ataon’ny hafa na tsara toy inona aza izy sy ny hoe mahita zavatra tsara ao amin’ny hafa foana na efa ratsy toy inona aza izy. Ity farany no fijerin’Andriamanitra antsika olombelona, fa iry voalohany no fanaontsika olombelona ka mila miova ! Aoka hahay handanjalanja sy ho tsara fijery mandrakariva. Ao ihany koa ny hoe efa misy zavatra ao an-doha ka na inona na inona lazain’ny hafa dia tsy manaiky mihitsy fa ny azy ihany no marina. Tsy voatery ny anao foana no marina fa mba jereo sy henoy koa ny hafa sao manana ny marina noho ianao izy. Fa raha isika aloha tsy ho marina alohan’Andriamanitra izany.
Farany, averin’i Masindahy Matio ao amin’ny Evanjely 19, 30 sy ny 20, 16a : “Ny farany ho voalohany, ary ny voalohany ho farany”. Koa aza mipingapinga hiady laharana voalohany sao ho tratra farany. Aoka isika tsy hidonanam-poana fa hirotsaka mandrakariva sady tsy hialona amin’ireo zazavao amin’ny finoana fa hifanampy sy hifandrisika hatrany. Satria “misy toerana maro” ao an-tanim-boaloboky ny Tompo. Amen.