Alahady 16 aogositra 2020 — Alahady faha-20 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 15, 21-28 — Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo : Izaho mahalala azy ary izy manaraka Ahy.
I Jesoa nankany amin’ny faritanin’i Tira sy i Sidona, midika hoe nankany amin’ny Jentily Izy satria efa ivelan’i Palestinina izany tanàna izany. Rehefa tsy Jody mantsy dia Jentily. Tsy natokana ho an’i Jody ihany akory ny famonjena. Izay ilay foto-kevitra aroso amintsika amin’ity herinandro ity hoe : “Ny olombelona rehetra no kendren’Andriamanitra hiditra ao amin’ny fanjakany”. Isan’izany koa isika izao.
Lehibe loatra ny fahoriana nahazo an’ity vehivavy Kananeanina ity, dia ny nampijalian’ny demony mafy loatra ny zanany vavy ka nahatonga azy nivoaka, niantsoantso mafy, niangavy sy nitalaho tamin’i Jesoa hanasitrana io zanany io. Ny fahoriana tokoa mahazaka maniraka, ka tsy misy mahamenatra na manakantsakana ny fahasamihafana misy na ara-poko na ara-pirazanana izany. Marihina fa tsy Jody izy fa Kananeanina, rehefa naheno ny lazan’i Jesoa izy dia nino fa i Jesoa no Tompo sy taranak’i Davida : finoana latsa-paka ny azy.
Isika ihany koa ankehitriny toa gejain’ity valan’aretina mampivarahontsana izao tontolo izao ity, ka mahatonga ny zavatra rehetra tsy hanjary sy izay kinasa ho maty momoka avokoa, toa tsy misy mandeha mihitsy. Mila antsika hiantsoantso mafy, hitalaho fanampiana amin’Izy Tompo, mba hamonjy antsika ka hanala antsika amin’izany. Sady isika tsy hoe hafa firazanana aminy fa noho ny Batemy dia tonga zandriny, rantsam-batany aza. Ny hafa ve novonjeny ka vao mainka fa isika toy izany ? Fa ankoatra izany, toa miha-manjaka koa i Satana ankehitriny, toa manararaotra izao fihibohona izao, mamatotra antsika ka hahavitana izao karazam-pahotana maro izao, minia mandrava ny efa miombona, mamotika ny tsara efa nananana, manimba ny efa milamina sy voavoatra tsara, mampipatitaka aza, sy ny maro hafa ateraky ny fitaovam-pifandraisana ka ny tena no mihiboka fa ampiraisin’ny Internet sy ny Facebook na ny Tweeter na ny maro hafa ka mahavita zava-doza mamoafady mihoatra ny mifanatrika aza. Mila vahana izany fatotra izany ka ento eo amin’i Jesoa hanafaka antsika amin’izany. Aza omena hirika i Satana, fa ivereno mandrakariva sy ampitomboy hatrany ny fifandraisana amin’i Jesoa. Izany no fibebahana takiana amintsika.
Etsy andanin’izany, ny fisainantsika tsy mitovy amin’ny an’Andriamanitra. Diniho izao ireto nahazo ny mpianatr’i Jesoa, niangavy taminy nanao hoe : “Roahy izy, fa mikiakiaka manaraka antsika”. Izay manelingelina antsika dia tiantsika ho esorina na alàna. Diso toerana izany fisainana izany. Tsarovy anefa fa ny rehetra mihitsy no tian’i Jesoa ho vonjena, hatramin’ny tsy mpino aza. Tsy nampaninona an-dravehivavy izay filazana momba azy, fa ny fangatahany no mahamaika azy. Tsy misy mahasakana ny fihaonana amin’ny Tompo tokoa na olona na zavatra izany. Tsy ireny akory no hampitakemotra antsika.
Tsy nijanona ho faniriana fotsiny ihany ny an’ity vehivavy ity, ny hahasitrana ny zanany fa nitady fomba izy hahatanteraka izay kinasany, hany ka tanteraka tokoa. Nihoatra ny sakantsakana rehetra izy ka nandresy satria lehibe ny finoany. Ka na tsy Jody aza izy nahazo fanasitranana. Isika koa efa tonga kristianina noho ny batemintsika, saingy tsy ampy ny hoe kristianina, toy ny ho Jody, fa ny miaina ny finoana no tena takiana mba tsy hisomidika ambony toa menaka fotsiny izany finoana izany fa ho latsaka anaty toa tsoka sy mba tsy halaza tsy hihinanana toa lovian-tsahona, fa ampiasaina mandrakariva toy ny finday na mihiboka, na any ivelany, na ao an-trano na eny an-dalana hatrany am-piasana, na maraina na hariva, eny hatramin’ny alina aza. Izany hoe : finoana lalina iainana ka afaka zaraina amin’ny hafa. Ny finoana no hanakarana ny lanitra, fa tsy ny kristianina anarana fotsiny. Raha tena velona izy tsy misy mahatohitra azy fa azony izay ilainy. Ho toa amintsika anie izany. Amen.