Talata 24 desambra 2019 — Herinandro fahefatra amin'ny Fiavian'ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 1, 67-79 — "Ry ilay Mpanjakan'ny firenena rehetra, avia ary vonjeo ny olona izay noforoninao tamin'ny vovo-tany".

0 : 00

Ity Evanjely ity dia nofaritan'ny Eglizy ho "Tonokiran'i Zakaria" satria miendrika hira fiderana an'Andriamnitra izay nahatanteraka ny famonjena izay nampanantenainy. Efa akaiky ny Tompo, ho avy Izy. Ny fahatongavany eto anivontsika dia mitondra fahazavana. Izy tokoa no Masoandro hamangy antsika avy any ambony mba hanilo izay rehetra mipetra ao amin'ny maizina. Izy no hanazava ny fiainantsika sy hitarika antsika amin'ny làlam-pahamasinana sy ny làlam-piadanana.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...