Zoma 14 aogositra 2020 — Herinandro faha-19 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 19, 3-12 — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny soritrao ary tariho ho amin’ny fahamarinana aho.

0 : 00

Mafonja dia mafonja ny valin-kafatra avy amin'i Jesoa ho an'ireto Farisianina namandrika Azy tamin'ny alalan'ny fanontaniana hoe : "Mahazo misao-bady ve ny lehilahy, na inona na inona antsony ?" Inona no tiana ambara ? Inona no tiana ho lazaina ? Resaka fijangajangana, fandikana ny didin'Andriamanitra tsotra izao no iompananan'ny Evanjely ; saingy tsy nataon'ireo Farisianina mivantana izany. Mety antony maro no mahatonga izany fijangajangana izany, fa manokana mihitsy kosa no namabran'i Jesoa androany, dia mahakasika ny fiaraha-monin'ny mpivady ao an-tokantrano, izay mety hoe mikorontana ka mety hiafara amin'ny fandroahana, na ny fisoloana vady hafa vaovao noho ny fisarahana.

Ry kristianina havana, ny fisaraham-panambadiana dia efa nisy hatramin'izay, izany hoe tamin'ny andron'ny Testamenta Taloha, ary mbola misy mandrak'ankehitriny, ary toa vao mainka aza mahazo vahana sy mahazo laka hatrany hatrany ankehitriny. Ny fisaraham-panambadiana dia mety ho vokatry ny tsy fanajan'ny iray intsony ny velirano fifanekena izay nataony. Araka izany, rehefa tsy tsara ny fifandraisan'ny mpivady eo anatrehan'Andriamanitra, dia mazava ho azy fa mihamarefo ilay fitiavana, ary mety ho simba mihitsy aza ny fifandraisana eo amin'izy roa. Jesoa Tompo ô, ampio ireo nandray ny sakramentan'ny mariazy, mba hiaina sy hanome hasina ny fitiavana ka haharitra hatramin'ny farany amin'ny fiainan-tokantrano. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 30 jona 2025

• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...