Alarobia 05 aogositra 2020 — Herinandro faha-18 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 15, 21-28 — Manantena ny Tompo ny fanahiko, miandry ny teniny aho.

0 : 00

Any amin’ny faritanin’i Tira sy Sidôna i Jesoa, izany hoe any amin’ny tanin’ny olona mbola tsy mpino. Inona anefa ny zava-misy ? Vehivavy anankiray no niantso Azy mba hamindra fo aminy ka hahasitrana ny zanany vavy izay ampijalian’ny demony. Dia jereo fa tsy mbola taitra tamin’izay i Jesoa ary tsy namaly Izy. Tahaka ny hoe tsy miraika amin’ny fahavoazan’ny hafa izany. Porofon’izany ity valinteniny rehefa tsy nitsahatra nitalaho taminy ravehivavy hoe : “Tsy nirahina afa-tsy ho an’ny ondry very amin’Israely aho” sy ny hoe “Tsy mety raha ny mofon-jaza no alaina ka atsipy ho an’ny amboa”. Fa, rehefa tena hitany fa lalim-paka ny finoan’ity renim-pianakaviana dia notanterahany ny fanasitranana ny zanany. Ka io indray no sitrana voalohany. Inona àry ny lesona tiana ampitaina amin’izay ?

Voalohany, tsy hoe manilika na manavaka akory i Jesoa raha niteny hoe “Tsy nirahina afa-tsy ho an’ny ondry very amin’Israely aho”, tsy toetran’Andriamanitra izany, fa mampiseho Izy hoe misy ny atao hoe laharam-pahamehana. Ka eto, ny tiana hambara dia hoe : vitan’Andriamanitra ny manova ny hamehana manoloana ny olona iray izay be finoana. Ary ny hoe “Tsy mety raha ny mofon-jaza no alaina ka atsipy ho an’ny amboa” dia maneho io hoe tsy sanatria manilika na manao tsinontsinona olona akory i Jesoa fa ilazana ilay elanelana misy teo amin’ny Jody sy ny tsy mpino io.

Faharoa, hakantsika fampianarana àry ity fihetsik’ity renim-pianakaviana. Na dia nahazo teny hafahafa toa mankarary aina aza, dia teo foana. Ny olona be finoana tokoa tsy matahotra ny hiatrika ady ary mahazaka tenenina. Lesona ho antsika ity ataon’ity vehivavy ity : tsy nivaly tamin’ny voalohany ny fangatahiny fa nitalaho ihany izy. Ary tamin’ny farany nohenoim-bavaka izy. Indraindray tokoa mivavaka isika, mangataka amin’Andriamanitra, vao tsy mivaly indray mandeha dia kivy. Tsy toetran’olona manam-pinoana izany.

Farany, misy fampianarana tiana hampitaina ny hoe : renim-pianakaviana no mivavaka dia ny zanany marary no sitrana. Maneho amintsika izay hoe ny vavaka ataontsika, mety manasitrana olona ao anatin’ny rofy sy ny aretina. Ny marary mantsy efa tsy afaka mivavaka noho ny fanaintainana manjo azy, ka manana adidy hivavaka ho azy ireny isika. Amin’izao valan’aretina vokatry ny Coronavirus mahazo an’izao tontolo izao, ny firenentsika dia mangataka vavaka amintsika ho an’ireny marary ireny, fa hery lehibe ho azy ireny ny vavaka ataontsika ary mety mitondra fahasitranana ho azy.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 23 desambra 2024

  • Hosokafana ny alahady 29 desambra 2024 ny Varavarana Masina ao amin'ny Katedraly Andohalo, ho fanamarihana ny fanokafana ny Taon-jobily eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo...
  • Hankalazaina ny 12 janoary 2025 ny fetin'ny Seminera Zandriny Ambohipo, izay eo ambany fiarovan'ny Fianakaviana Masina...
  • Mahaiza misaotra ny fanomezana ny fiainana, hoy ny Papa François, fa famantarana mahagaha avy amin'Andriamanitra izany...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...