Sabotsy 01 aogositra 2020 — Herinandro faha-17 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 14, 1-12 — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny lalànao, ary tariho ho amin'ny lala-mahitsy aho.

0 : 00

Ry kristianina havana, mankalaza an’i Masindahy Alphonse avy any Liguori ny Fiangonana anio, anisan’ny hatsaram-pananahy alain-tahaka aminy, dia izy nanolo-tena hitory sy hanambara an’i Jesoa ho an’ireo tsy mahalala azy.

Noho izany, ny Evanjely anio dia misarika antsika hitana sy hijoro amin’ny marina izay efa nampahalalaina antsika hatramin’ny fahakelintsika. Satria, ny filazan’i Masindahy Joany Baptista ny marina tamin’i Heroda ny tsy tokony hanambadiany ny vadin’i Filipo ralahany dia nahatonga fialonana tamin-drenin’i Zanakavavin’i Herodiada izany. Ny anton’izany dia noho ny fitiavan-tena diso tafahoatra tao amin’ity vehivavy renim-pianakavina iray ity, ka tsy nisalasala nampaniraka ny hanampahana ny lohan’i Joany Batista tao an-tranomaizina, izany hoe : nanelingeliana izay mety ho hasambarany ny fisian’i Joany Baptista nijoro sy nitana ny marina ka aleony namono azy toy izay hihaino ny feon’Andriamanitra.

Tsy mifanalavitra amin’izany ny endriky ny fiainantsika ankehitriny, satria maro ireo trangam-piaianana hita amin’izao fotoan-tsarotra andalovan’ny areti-mangringana eto amin’ny tanintsika izao, no araraotin’ny ireo tsy matahotody hangalana tombontsoa, fa hamonoana ny olomarina kosa hahazaoana hasambarana. Ny tena kristianina dia mifampitsinjo ary manao ny marina mandrakariva. Raha izany àry no jerena, dia te hiteny amintsika kristianina i Jesoa hoe : amin’izay mety teny na fanapahan-kevitra anananao fahefana dia ataovy am-pandanjalanjana tsara sao maningotra ain’olona maro na mamono mivantana mihitsy àry. Koa hoy ny Ntaolo razantsika hoe : avadibadio impito ny lela vao miteny mba tsy hanimba ny hafa. Angatao àry ny Fanahin’Andriamnitra hiasa ao amintsika mba hitondra vokatra maharitra isika.

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...