Alakamisy 30 jolay 2020 — Herinandro faha-17 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 13, 47-53 — Mahatoky amin'ny teniny rehetra ny Tompo, ary tsara fo amin'ny asany rehetra.

0 : 00

Ry kristianina havana, ny Evanjely naroson’ny Fiangonana ho vakina mandritra ity herinandro ity, dia manambara sy manoritsoritra bebe kokoa amintsika ary mampahafantara misimisy kokoa ny toetoetran’izany atao hoe fanjakan’ny Lanitra izany. Fanoharana hatrany no entin’i Jesoa milaza sy mampitaha izany, mba ho azontsika antenaina tokoa ny fivantanana any rahatrizay.

Noho izany, oharin’i Jesoa amin’ny alalan’ny harato nalatsaka tanaty ranomasina izany. Izany hoe : hatramin’ny naharian’Andriamanitra an’izao tontolo izao dia nataony toy ny harato hanangonana ny olombelona rehetra eto ambonin’ny tany ny teniny, ka hanangona ny tsara sy ny ratsy rehetra na ny olo-marina na ny olon-dratsy ho eo amin’ny fitsarany indray andro any. Amin’io fotoana io, Izy Andriamnitra no hanavaka ny olo-marina sy olon-dratsy fiaina rehetra, ka ny olo-marina harosony ho ao amin’ny fanjakany, nomaniny hatrizay ela izay ; ny olon-dratsy kosa havariny any amin’ny memy mirehitra afo mandrakizay. Ary amin’io fotoana io ihany koa no hanavahan’Andriamnitra ireo olona naharitra nifikitra tamin’ny teniny, nanao ny marina sy ny tsara teo amin’ny fiainana. Fa ireo nahalala kosa ka ninia tsy nanao ny marina sy ny tsy rariny ary ny tsy hitsiny teo amin’ny fiainana dia nitahiry rakitra ratsy ho an’ny fiainany mandrakizay.

Koa ataovy an-tsaina àry ho antsika kristianina, na ireo mitonona ho mpanara-dia an’i Kristy fa tsy maintsy ho tonga ny fotoana hanavahan’Andriamanitra ny tsara sy ny ratsy, ny olo-marina sy ny tsy marina. Ireo izay ho mendrika ho zanak’ondry dia hiroso eo amin’ny fanjakany, fa ireo ambodia mitafy hodi-janank’ondry kosa dia ho any amin’ny fahaverezana mandrakizay. Koa tsy afaka hanao na inona na inona amintsika intsony Andriaminitra amin’izay fotoana izay fa manaja tanteraka ny safidintsika Izy. Koa omano sy iaino dia ny ety an-tany ny paradisa ho vantanintsika rahatrizay, amin’ny alalan’ireo fomba fiainana mendrika an’Andriamanitra.

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...