Alatsinainy 06 jolay 2020 — Herinandro faha-14 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 9, 18-26 — Ny teninao, ry Tompo dia fanahy sy fiainana. Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.

0 : 00

Ry kristianina havana ! Mampiseho fitaratra sy fankan-tahaka ho antsika i Jesoa ao amin’ny Evanjely, izay fiainany, fa sakafom-panahy aroso ho antsika isan’andro. Tsy mpiatari-bato vilam-bava Izy fa porofoiny amin’ny fiainany sy ny ataony izay lazainy sy ampianariny. Tamin’ireo toko vitsivitsy teo alohan’izao aroso ho antsika izao i Matio dia nitantara mahakasika ny fampianarana nataon’i Jesoa tany an-tendrombohitra. Maro ireo fampianarana ireo izay miompana indrindra amin’ny fitondran-tena tokony hananantsika kristianina ka hiainantsika izany. Rehefa tapitra ny fampianarany dia mandeha amin’izay i Jesoa manamafy sy manaporofo izany amin’ireo fahagagana maro sy fanasitranana ataony.

Amin’ity Evanjely naroso ho antsika teo ity, dia fahagagana roa samy hafa no nataon’i Jesoa, izay samy famelomana aina avokoa. Hanaporofoany fa sarobidy ny aina ary ambony noho ny lalana rehetra ny aina. Efa fampianarany izany ary hitarihany antsika hanao toy izany ihany koa. Eo anatrehan’izany anefa dia mila ny finoana amintsika izany. Nitaky finoana avokoa ireo fahagagana roa nataony ireo. Ilay lehiben’ny Sinagoga, noho ny finoany fa manangana ny maty i Jesoa dia tsy nisalasala nanatona azy, nangataka mba hamelomana ny zanany vavy. Ilay vehivavy nitsi-drà koa, dia nanana finoana fa raha mahakasika an’i Jesoa izy na dia ny akanjony fotsiny aza dia hositrany, satria i Jesoa koa mahay manasitrana. Finoana avokoa izany.

Hitantsika teo fa samy nahazo famonjena avokoa na ilay lehiben’ny Sinagoga nangataka ny hahavelona ny zanany na ilay vehivavy nangataka fahasitranana. Ny finoana ihany no mahavonjy antsika. Zava-dehibe noho izany ny finoana ary amin’ny alalany no ahafahantsika manao zavatra. Raha kely finoana isika, eny fa na amin’ny vavaka ataontsika aza dia mety hisalasala. Fotoana lehibe izao mahazo antsika eto amin’izao tontolo izao izao noho ity valan’aretina mihanaka ity. Fotoana lehibe hitsapana ny halalin’ny finoantsika. Mino ve isika fa miaro sy mamonjy antsika Andriamanitra ? Mino ve isika fa manasitrana antsika i Jesoa ary tsy mamela antsika hiady irery ? Hamafiso àry ny finoana, ary tohano ny antson’ny Eglizy amintsika amin’ny alalan’ireo raiamandrenintsika mba hivavaka mafy haharesy tosika izao fitsapana goavana mianjady amintsika izao. Rehefa mino isika no mangataka dia tsy hisy tsy ho hain’Andriamanitra atao amintsika. Amen !

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...