Sabotsy 04 jolay 2020 — Herinandro faha-13 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 9, 14-17 — Niteraka antsika an-tsitra-po tamin'ny tenin'ny fahamarinana Izy, mba ho santatry ny zava-boaariny isika.

0 : 00

Fanontaniana maka emdrika tsikera no nataonʼireo mpianatrʼi Joany tamin’i Jesoa mahakasika ny tsy fifadian-kanina ataonʼireo mpianany. Mazava ny navalinʼi Jesoa fa hiala eo amin’izy ireo mpampakatra ka amin’izay vao hifady hanina izy ireo.

Ny mpampankatra tiany ho teniny eto dia ny tenany ihany, Izy Jesoa. Raha mbola eo anivontsika tokoa mantsy Izy, dia tokony hafaliana mandrakariva no hanenika ny fiainantsika. Miara-mifaly Aminy no tokony atao, noho izany tsy ialina ny mifady hanina. Ohatra fotsiny rehefa tonga ny vanim-potoananʼny Noely, fankalazana ny fahatongavany tety an-tany, ny Eglizy dia maporisika antsika handray izany an-kafaliana. Ankilanʼizay anefa, dia misy ny andro izay hanesorana ny Mpampakatra eo anivontsika, dia ny Zoma Masina izany. Io no hamporisihanʼny Eglizy antsika ny tokony hifadiana hanina. Misy fotoana tokoa, ny zavatra rehetra : ao ny fotoana hifaliana, ao ny fotoana hifadiana hanina. Izany rehetra izany no atao, dia ny mba ho fitiavana anʼAndriamanitra sy ny namana fa tsy sanatria akory noho ny lalàna fotsiny ihany.

Jesoa Kristy àry dia tonga hanova ny fontsika ho fo vaovao. Izay no tiany ambara amin’ilay hoe divay vaovao voalazanʼny Evanjely teo, izay atao ao anaty barika hoditra vaovao. Ny vaovao izay manambara ny fitiavantsika anʼAndriamanitra ary ny tonta dia fanambarana ny fanarahana ny Lalàna taloha. Aoka ary mba ho am-pitivana tokoa no hanatanterahantsika ny fifadian-kanina fa tsy hoe amin’ny maha lalàna Azy.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...