Zoma 03 jolay 2020 — Masindahy Thomas, Apôstôly — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 20, 24-29 — Nino ianao, ry Tomà, satria nahita, hoy ny Tompo ; fa sambatra izay tsy nahita ka mino.

0 : 00

Mankalaza anʼi Masindahy Tomà ny Eglizy anio. Izy dia anisanʼireo 12 lahy izay nantsoinʼi Jesoa mba hanara-dia Azy. Tantarainʼny Evanjely àry eto ny mampiavaka anʼi Tomà, dia izy ilay hoe tsy mino raha tsy mahita.

I Masindahy Tomà dia tena mino fa i Jesoa no ZanakʼAndriamanitra. Nefa io finoana io dia nilany porofo azo tsapain-tanana. Hitantsika izany tao aorianʼny havaloanandro nitsangananʼi Jesoa ho velona. Tsy mba nino ny teninʼireo vavolombelona nahita fa efa nandresy ny fahafatesana i Jesoa, fa mbola nilany fanamarinana avy amin’ny tenany manokana. Izany toetranʼi Tomà izany dia mbola ananantsika kristianina ankehitriny. Miandry zavatra azo tsapain-tanana hatrany vao miroso amin’ny finoana. Ohatra amin’izany rehefa mety ny fiainana dia sahy manambara mihitsy fa hoe fahasoavanʼAndriamanitra nefa rehefa mifanohitra amin’izay dia misy koa ny sahy manontany hoe : "Mbola misy ve izao Andriamanitra izao ?"

Ny fisehoanʼi Jesoa sy ny teniny tamin’ireo mpianany tao aorianʼny fitsanganan-ko velona dia nampiova ny fomba finoanʼi Tomà Azy : "Tompoko sy Andriamanitro". Teo dia tena mari-pototra ny finoany satria nahita anʼi Jesoa nandresy ny fahafatesana sy niteny taminy. Isika kristianina dia tsy mba nahita anʼi Jesoa nofantsihana na nahita Azy nitsangan-ko velona ary tsy mbola niseho tamintsika, nefa isika dia tena mahatsiaro sambatra satria mino fa i Jesoa dia maty sy nitsangan-ko velona ho antsika.

Mampatsiahy antsika àry noho izany ilay vavakʼi Masindahy Nicolas manao hoe : "Tompoko sy Andriamanitro, esory amin’ny lalako izay rehetra manalavitra Ahy Aminao. Tompoko sy Andriamanitro,omeo ahy izay rehetra ahafahako manatona Anao. Tompoko sy Andriamanitro, avelao aho hanadinony tenako mba ahafahako manolo-tena tanteraka ho Anao".

Masindahy Tomà : mivavaha ho anay

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...