Alatsinainy 29 jona 2020 — Masindahy Piera sy Paoly — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 16, 13-19 — Ianao  no Piera (vato), ary eo ambonin'izany vatolampy izany no hanorenako ny Egliziko, ary ny vavahadin'ny afobe tsy haharesy azy.

0 : 00

"Ataonʼny olona ho iza moa ny Zanakʼolona ?" Ny valinteny nomenʼny olona dia nampitovizinʼizy ireo aminʼireo Mpaminany tany aloha i Jesoa : toa an-dry Elia sy ry Jeremia.

Fa rehefa namaly kosa i Piera dia niaiky fa i Jesoa no Kristy ZanakʼAndriamanitra velona. Izany valinteny izany anefa dia tsy avy amin’ny herinʼny tenany, fa Izy Andriamanitra mihitsy no mampahalala izany amin’ny alalanʼny finoana. Tsy i Piera ihany no voakasikʼizany, fa isika rehetra. Matoa isika mino fa i Jesoa no Kristy ZanakʼAndriamanitra velona dia noho ilay finoana izay nomenʼAndriamanitra antsika. Noho izay valinteny nomenʼi Piera izay àry dia naorinʼi Jesoa ny Eglizy eo amboninʼi Piera sy ny finoany. Ary nampanantenainy fa na ny herinʼny ratsy aza tsy haharesy Azy na oviana na oviana. Tsy vitanʼizay fa nahazo ny fanalahidinʼny fanjakanʼny lanitra koa izy ka "izay rehetra hofeheziny ety an-tany dia voafehy koa any an-danitra, ary izay hovahany ety an-tany dia voavaho koa any an-danitra". Izany fahefana izany dia mbola mitohy ankehitriny amin’ny alalanʼireo Papa Ray Masina nifandimby, fa izy ireo tokoa mantsy no dimbinʼi Piera. Izany hoe ekenʼAndriamanitra izay hofehezinʼizy ireo ety an-tany sy izay hovahany ety an-tany mahakasika ny finoana sy ny Eglizy.

Mankalaza anʼi Md Piera sy Md Paoly àry ny Eglizy anio. Ankaotra izay efa nambara dia i Masindahy Piera no solontenanʼi Jesoa Kristy voalohany teto an-tany sady anisanʼireo 12 lahy nofidiny manokana hanara-dia Azy. I Masindahy Paoly kosa dia nanitatra ny Eglizy naorinʼi Jesoa hanerana izao tontolo izao. Masindahy Piera sy Paoly, mivavaha ho anay.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...