Sabotsy 27 jona 2020 — Herinandro faha-12 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 8, 5-17 — Mitenena, Tompo ô, fa mihaino ny mpanomponao : Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.

0 : 00

Anisan’ny zava-dehibe ary misongadina indrindra moa ity finoana nasehon’ity kapiteny, ambaran’ny Evanjely anio ity, finoana nambaran’i Jesoa hoe : "finoana lehibe tsy mbola hitany tamin’i Israely".

Tsy Jody fa Romanina ity Kapiteny ity, nefa nino ny fahefana ananan’i Jesoa izay tsy voafaritry ny toerana sy ny fotoana, nino ny herin’ny teny tononiny amin’ny marary, ampy hahasitrana. Izay finoana tao aminy izay no tsy nisalasalany nanatona sy nihanta tamin’i Jesoa mba hanao izany amin’ny ankizilahiny izay marary. Ary nambara tamintsika teo fa izay niainan’ity kapiteny ity tamin’ireo miaramila feheziny no naseohiny an’i Jesoa ary nanekeny hanatanteraka ny baiko omen’i Jesoa azy hahasitrana ny mpanompony. Fanetren-tena lehibe vokatry ny finoana, hahatsapana ny tsy fahamendrehana eo anatrehan’Andriamanitra no nasehony, ilazan ‘i Jesoa tamin’ireo nnanaraka Azy hoe : "Tsy mbola nahita finoana lehibe toy izany Aho tamin’i Israely" ary dia tanteraka tokoa izay ninoany, sitrana tamin’ny ora nihaonany tamin’i Jesoa ny ankizilahiny.

Tsy teny atao ihany akory ny finoana fa fihetsika sy asa ary toe-piainana matoky tanteraka ny herin’Andriamanitra ao amin’i Kristy, ilay naka ny rofintsika sy nitondra ny aretintsika. Ary izay mino ihany no afaka hanantena sy handray ny fitiavan’Andriamanitra dia ny ety an-tany ary handova ny hasambarana mandrakizay any an-danitra.

Jesoa ô, noderainao fa lehibe tokoa ny finoana nasehon’ity Kapiteny nanatona sy nangataka taminao hanasitrana ny mpanompony, ary dia notanterahanao izay ninoany. Koa enga anie ho hainay hianarana izay niainany, mba hiarihary fa taranak’i Abrahama tokoa izahay.

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...