Talata 16 jona 2020 — Herinandro faha-11 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 5, 43-48 — Izay mitandrina ny didin'i Kristy, no manana ny fitiavana an'Andriamanitra lavorary ao aminy tokoa.

0 : 00

Mitohy ihany ny fampianaran’i Jesoa tany an-tendrombohitra. Tanjona iray no iantsoana antsika rehetra dia ny fahalavorariana na koa hoe ny fahamasinana. Misy tahafina ny amin’izany dia Izy Andriamanitra Ray any an-danitra : tia tsy manavaka. Hoy indrindra i Jesoa ny amin’izany hoe : “Aoka ho lavorary ianareo tahaka ny fahalavorarian’ny Rainareo izay any an-danitra”. Ny làlana mankamin’izany no misy maro. Isany amin’izany ny fiainana ny fitiavana ka tia hatramin’ny fahavalo aza. Haintsika tsara ny mitia izay tia antsika sy ny mankahala ny fahavalontsika ; isika aza moa manangam-pahavalo indraindray : izay tsy mitovy firazanana na volon-koditra na fihaviana na hevitra na fisainana na fihariana na fahaizana na fikambanana na firehana politika na finoana amintsika sy ny maro hafa dia ataontsika ho fahavalo sy ny hoe : izay manîny antsika na mitsikera na mitady hifanohitra amintsika dia efa kilasiana ho fahavalo, indrisy mampalahelo !

Izany indrindra no ahitsin’i Jesoa eto : aoka hahay hitia isika ka tsy izay mitovitovy amintsika ihany na amin’ny lafiny inona na amin’ny lafiny inona no ho tiavintsika fa hitia ny mihoatra izany, dia hatramin’izay heverintsika na mihevitra ho fahavalontsika aza. Jereo ny hadalantsika amin’Andriamanitra : fa tia antsika foana Izy. Koa aza manao toy ny rano manindao namana, aza mila voa tsy ary na mangata-pary iray vany ka mitady izay tsy hiraisana, ny an’ny sasany aza moa : anamamy no iraisana ka beroberoka no isarahana. Tsarovy fa mitady ny fiombonana sarotra mandrakariva fa toa mandeha ho azy kosa ny fisarahana. Ny mifanohitra amin’izany anefa no irîn’Andriamanitra amintsika dia ny fiombonana amintsika samy isika, tsy misy avakavaka mba hifankatiavantsika. Fa raha mpanavakavaka Andriamanitra dia ho tena raharaha ny mahazo antsika : raha ny tsara fanahy ihany no omeny masoandro fa ny ny ratsy fanahy haizina, sy ranonorana amin’ny marina fa hain-tany ho an’ny tsy marina, tsy ho fifanjevoana mahatsiravina ! Na isika aza ho tena sahirana. Kanefa izany no toa mahamaika antsika indraindray. Avy amin’ny ratsy ny fanavahana ka tsy mety ho antsika satria tsy zanaky ny ratsy isika fa zanaky ny mazava ka ny mazava no tsara izorantsika. Tsy inona izany fa ny tia araka an’Andriamanitra, tsy manavaka, hatramin’ny fahavalo aza. Azo lazaina koa hoe : fitiavana misokatra amin’ny hafa fa tsy mikombona fotsiny amin’ny tena. Izany hoe : fitiavana tsy salobon-komana ka tsy mahalala afa tsy izaho ihany : tena tsy mety.

Misy dingana telo aroson’i Jesoa amintsika eto mba ho zanaky ny Ray any an-danitra isika : tia ny fahavalo sy manao soa an’izay mankahala ary mivavaka ho an’izay manendrikendrika. Efa tonga zanany isika tamin’ny Batemy fa mba hiainantsika izany bebe kokoa no antony anomezany an’io. Ka iza amin’ireo no efa nataontsika na mahavantana antsika na koa mbola tsy nataontsika mihitsy ? Tsy tara akory fa manaova ezaka ny amin’izany fa hahita voka-tsoa isika. Tsara indrindra raha izy telo efa iainantsika avokoa. Toetra tokony mampiavaka ny kristianina ny tia hatramin’ny fahavalo satria mihoatra ny fitiavan’izao tontolo izao fa manahaka ny fitiavan’Andriamanitra ka aoka tsy ho diso anjara amin’izany isika, aoka tsy ho very tadidy ka tsy am-bava fotsiny fa tena iainana marina tokoa, na somary sarotra aza izany mba hahatongavantsika any amin’ny fahalavorariana iantsoana antsika ! Dia ho to amintsika anie izany. Amen.

[Miara-dàalana] Zoma 27 septambra 2024

♦ Hateloana andro izao no nankalazana ny fetin'i Masindahy Vincent de Paul, ho an'ny Diôsezin'i Tolagnaro, nanomboka ny 25 septambra 2024... ♦ Nandresy ny demony i Kristy ary nanome antsika ny Fanahy Masina, mba handresentsika toa azy koa. Io no hevi-dehibe nifantohan'ny Papa François nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience générale, ny 25 septambra 2024... ♦ Nanentana ny hisian'ny fiaraha-miasa sy ny firaisan-kinan'ny firenena ny Papa François, tamin'ny Fitsidihana apôstôlika ivelan'i Roma, andiany faha-46, nataony tany Luxembourg...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...