Alakamisy 04 jona 2020 — Herinandro fahasivy mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 12, 28-34 — Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy ; ka ho tian'ny Ray ary hankao aminy izahay.

0 : 00

Mpanora-dalàna no manoloana an’i Jesoa eto, ka manontany Azy amin’ny fony hoe : inona no voalohany amin’ny didy rehetra ? Mazava ho azy fa olona efa mahay lalàna io manolona an’i Jesoa io, fa misy zavatra tsy azony mahakasika ny finoana, dia aleony manontany. Fampianarana lehibe ho antsika sahady izay hoe aleo manontany rehefa misy zavatra tsy mazava, indrindra mahakasika ny finoana. Fa, rehefa hitan’i Jesoa fa manontany amim-panetren-tena izy dia nomeny valinteny mahafa-po. Fianarana lehibe ho antsika ity nataon’i Jesoa ity : mba omeo valinteny mahafa-po ny olona rehefa mila fanampiana aminao. Indraindray dia miteny isika hoe izany ve dia tsy hay... I Jesoa eto tsy miteny mihitsy hoe mpanora-dalàna ve ianao dia tsy mahay an’izany.

Dia izao ny valintenin’i Jesoa : ny didy voalohany indrindra : tiavo ny Tompo Andriamanitrao ary ny faharoa, tiavo ny namanao tahaka ny tenanao. Fanontaniana mipetraka dia hoe : raha mitia an’Andriamanitra : Andriamanitra iza ary amin’ny fomba ahoana ? Ny valiny dia ilay Andriamanitra hany Tompo tokana ary tiavina amin’ny fo, saina, fanahy, izany hoe amin’ny maha-izy antsika manontolo. Noho izany, tsy tokony ho ady hevitra sahaza amin’ny olona tena kristianina ny hoe : tiavo Andriamanitra, mandehana mivavaka, mirosoa amin’ny mariazy, mandraisa sakramenta. Ny faharoa, mitia ny namana : namana iza ary amin’ny fomba ahoana ? Samia mijery izay eo akaikiny, ny manodidina azy fa io ny namana tian’i Jesoa tiavinao ; fa araka ny tenin’Andriamanitra dia lehibe lavitra noho ny sorona dorana sy ny fanatitra rehetra ny fitiava-namana. Izany hoe tsy mitondra fahasoavana ho antsika akory ny kômonio raisintsika raha ny namantsika, ny mpiara-monina amintsika aza tsy tiaintsika. Ny handrefesana ny fitiavana an’Andriamanitra mantsy, dia ny fitiavanao an’io olona akaikinao io, ny mpiara-monina aminao io. Koa, ny atao hoe tia ny namany sy ny mpiara-monina aminy àry hoy i Md Paoly ao amin'ny 1Kor 13, 4-5 : mahari-po, malemy fanahy, tsy mialona, tsy manaotao foana, tsy mieboebo, tsy manao ny tsy mendrika, tsy mitady ny ho azy, tsy mora tezitra, tsy manao adolom-po.

Dia ahoana ny tohin’ny Evanjely ? Rehefa hitan’i Jesoa fa namaly tamim-pahendrena ilay mpanora-dalàna, izany hoe nanaiky io fahamarinana io dia hoy Izy hoe tsy lavitra ny fanjakan’ny lanitra ianao. Isika koa, amin’ny maha-kristianina antsika dia manaiky io fahamarinana io, ka tsy lavitra ihany koa isika, izany hoe tsy mbola ao amin’ny fanjakan’ny lanitra. Fa, mba ahatongavana ao dia entanina isika mba tena hiaina ireo fitiavana atoron’i Kristy ireo.

[Miara-dàlana] Zoma 15 nôvambra 2024

  • Manohina ny fon'i Jesoa ny fangirifiriantsika Malagasy, hoy ny Hafatry ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, tao aorian'ny fivorian'izy ireo...
  • Voafidy ho Filohan'ny Birao maharitry ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Evekan'ny Diôsezin'i Morondava...
  • Mandray anjara lehibe amin'ny fampandrosoana ny fiaraha-monina ny Eglizy Katôlika eto Madagasikara, hoy i Mgr Fridolin Ambongo Besungu, Arsevekan'i Kinshasa, Filohan'ny Fiombonan'ny Fivondronamben'ny Eveka aty Afrika sy Madagasikara...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...