Alarobia 03 jona 2020 — Herinandro fahasivy mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 12, 18-27 — Ny fitsipikao, ry Tompo, mahafaly ny fo ; ny baikonao mazava, manilo ny maso.

0 : 00

Sadoseanina indray no manoloana an’i Jesoa eto. Ireo dia olona tsy mino ny fitsanganan-ko velona. Tenin’Andriamanitra no entiny mandresy lahatra an’i Jesoa mahakasika ny fampakaram-bady. Hainy tsara mantsy ny lalàn’i Moizy momba io satria olona tao anatin’ny finoana Jody ihany ireo. Ny fanontaniany dia hoe : iza no hovadin’ny rahavehivavy rehefa any amin’ny fitsanganan-ko velona, amin’ireo lehilahy fito izay efa samy nanambady azy ? Fanontaniana entina hamandrihana an’i Jesoa io satria olona tsy mino ny fitsanganan-ko velona ve no manontany izany. Efa misy hafatra tiana hampitaina amintsika sahady izay eto hoe tandremo ihany eny amin’ny fiainantsika eny fa misy olona mangataka ady hevitra momba ny finoana entiny hamandrihana antsika. Raha tsy manana valin-teny mazava, tsy voatery hamaly azy sao dia hovoaozongozona ny finoana ka voatariny tsy hino ny fitsanganan-ko velona.

Fa, ho an’i Jesoa, inona no valin-teniny eto ? Hoy Izy hoe : “moa tsy diso hevitra va ianareo amin’ny tsy fahafantaranareo ny Soratra Masina sy ny fahefan’Andriamanitra ? Rehefa any an-danitra, hoy Izy, tsy misy ampakarina sy mpampakatra izany fa mitovy amin’ny Anjely (midera tsy tapaka an’Andriamanitra). Dikan’izay, rehefa mandalina ny Soratra Masina isika, tandremo mandray vilana.

Dia mbola notohizin’i Jesoa ihany ny fanazavana mahakasika ny fitsanganan’ny maty satria io no tena resaka eto, fa ny momba ny mariazy dia tohan-kevitra fotsiny. Ho an’ny Sadoseanina mantsy, rehefa maty ny vatana dia maty ihany koa ny fanahy ; dia manazava i Jesoa hoe na maty aza ny vatana, ny fanahy kosa velona mandrakizay. Izany hoe : raha isika no miaina tsy misy fikolokolona Fanahy (manao izay danin’ny kibo, tsy mivavaka, tsy miraharaha ny hafa, tsy mandray sakramenta) dia io fehezan-tenin’i Jesoa farany io no mihatra amintsika hoe : “koa diso lehibe loatra ianareo”.

Dia ataoko fa tsy isika indray no hitovy amin’ny Sadoseanina, tsy hino ny fitsanganan-ko velona. Ao amin’ny fiekem-pinoana mantsy dia efa averintsika foana hoe : “izaho miandry ny fitsanganan-ko velona sy ny fiainan-ko avy”. Tsy atao tsianjery fotsiny io fa tena hiainana. Izany hoe : amin’ny asa ataontsika, amin’ny fomba amam-panaontsika, amin’ny fiteny sy fihetsika asehontsika dia ataovy ao an-tsaina foana hoe : izaho ity mbola hitsangan-ko velona. Hoy mantsy ny KFK 998 hoe ny olombelona rehetra izay maty no hitsangan-ko velona ; fa, ireo izay nanao soa dia hitsangan-ko velona ho amin’ny fiainana ary ireo izay nanao ratsy kosa dia hitsangan-ko velona ho amin’ny fahaverezana mandrakizay (Jo 5, 29).

[Miara-dàlana] Alatsinainy 23 desambra 2024

  • Hosokafana ny alahady 29 desambra 2024 ny Varavarana Masina ao amin'ny Katedraly Andohalo, ho fanamarihana ny fanokafana ny Taon-jobily eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo...
  • Hankalazaina ny 12 janoary 2025 ny fetin'ny Seminera Zandriny Ambohipo, izay eo ambany fiarovan'ny Fianakaviana Masina...
  • Mahaiza misaotra ny fanomezana ny fiainana, hoy ny Papa François, fa famantarana mahagaha avy amin'Andriamanitra izany...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...