Alahady 31 mey 2020 — Alahadin'ny Pantekôty — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 20, 19-23 — Avia, ry Fanahy Masina, fenoy Anao ny fon'ny mpino ; ary ampireheto ao am-pony ny afon'ny fitiavanao.

0 : 00

Ny lohahevitra omen’ny Fiangonana antsika amin’izao Alahady Pantekôty izao dia hoe : "Mpankahery sy Mpanazava ary Mpampihavana ny Fanahy Masina". Fa, noraisina manokana amin’izao fifampizarana izao dia ny hoe : Jenezy vaovao ny Pantekôty na hoe Fiaingana vaovao ny Pantekôty. Inona ny antony ? Dia satria, miverina indray eto ilay fihetsik’Andriamanitra efa hita tany amin’ny boky Jenezy. Hoy manko ny Evanjely teo hoe : "rehefa nilaza izany Izy dia nitsoka". Teny manandanja eto ilay hoe nitsoka, izay efa hitantsika io any amin’ny Boky Jenezy 2, 7. Ka, io fihetsika nataon’i Jesoa io dia maneho fa te hamerina antsika amin’ny laoniny Andriamanitra. Te hanao antsika ho fahariana vaovao Izy. Amin’ny alalan’ny inona ? amin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Io no manavao antsika ; koa meteza àry hotarihiny sy hohavaoziny mandrakariva. Meteza hiala amin’ny fiteny kivalavala, fihetsika maramara ary fanao efa voarara. Tsy manampy hihavao izany.

Fa, inona tokoa moa no nihatra tamin’ireo mpianatra mialoha ny Pantekoty ?

Ny valiny dia hoe : nihidy aman-trano noho ny tahotra ary nirindrina ny varavarana. Tsy afaka nandehandeha intsony fa tapi-dalan-kaleha. Endriky ny fiainantsika ihany koa io : ohatra ny hoe tapi-dalan-kaleha isika indraindray, tsy hita intsony izay atao. Eo ihany koa, mety mahazo antsika ny tahotra isan-karazany (tahotra hiatrika fanadinana, tahotra hiatrika fandidiana, tahotra hiatrika fitsarana…) ; eo ihany koa ny tebiteby : tebiteby amin’ny fahasalamana, ny ho avin’ny ankizy sns. Ary misy aza mihevitra hoe misy blocage ny fiainany na voaozona hono. Efa nihatra tamin’ireo mpianatr’i Jesoa koa izay tahotra sy tebiteby izay.

Manoloana izay àry, inona no vahaolana ?

Dia izao, tandremo mandray vahaolana tsy izy : miankin-doha fotsiny amin’ny herin’ny tena na amin’ny fahaiza-manaon’olombelona fotsiny na miankin-doha amin’ny zava-boaary. Fa, ny vahaolana tena izy dia i Kristy. Izy eto no miteny hoe : “homba anareo anie ny fiadanana”. Io teny io dia rentsika isaky ny mamonjy Sorona Masina. Noho izany, ny fahazotoantsika mamonjy lamesa dia fomba iray hiatrehana ny tahotra sy ny tebiteby. Mazotoa amin’izany fa hahita fiadanam-po ianao. Ny ankabeazantsika amin’izao dia ny manaraka ny ao amin’ny Radio Don Bosco. Dia mbola notohizany ny tenin’i Jesoa hoe : “jereo ny tanako sy ny foko”. Ny Tanana mantsy dia manambara ny asan’Andriamanitra ary ny fo dia manambara fitiavana. Dikan’izay dia hoe : itokio mandrakariva fa miasa ho anao Andriamanitra ary tia anao Izy.

Ry kristianina Havana, fahotana ny fahakiviana, fahotana ny fanekena ho resy sahady ary fahotana ny tsy fetezana hihavao. Raha tojo izany isika, ndao hidodododo hitalaho ny indrafon’Andriamanitra amin’ny alalan’ny kônfesy fa fahefana efa natolotr’i Kristy an’ireo mpandraharaha voafidiny izany, tamin’izy niteny hoe : “raiso ny Fanahy Masina, ny fahotana izay avelanareo dia ho voavela ary izay hotananareo dia ho voatana”. Ary angataho ny Fanahy Masina hanampy antsika hihavao mandrakariva.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 23 desambra 2024

  • Hosokafana ny alahady 29 desambra 2024 ny Varavarana Masina ao amin'ny Katedraly Andohalo, ho fanamarihana ny fanokafana ny Taon-jobily eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo...
  • Hankalazaina ny 12 janoary 2025 ny fetin'ny Seminera Zandriny Ambohipo, izay eo ambany fiarovan'ny Fianakaviana Masina...
  • Mahaiza misaotra ny fanomezana ny fiainana, hoy ny Papa François, fa famantarana mahagaha avy amin'Andriamanitra izany...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...