Sabotsy 16 mey 2020 — Herinandro fahadimy amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 15, 18-21 — Tsy maintsy hijaly i Kristy sy hitsangan-ko velona ; ary hiditra amin'ny voninahiny.

0 : 00

“Ho halan’izao tontolo izao ianareo !” Raisin’i Kristy ho fomba fiasa niaraka tamin’ny mpianany ny manomana azy ireo mialoha izay trangam-piainana tsy maintsy hihatra aminy eo am-panatanterahana ny sitrapony, entiny hilazana fa tsy mora ny manatanteraka ny iraka, misy ny fanenjehana, fankahalana, tsy fankatoavana izay torina, noho ny tsy finoana sy ny fiombonana amin’i Kristy. Tsy tokony ho gaga na ho taitra amin’izany anefa izay irahina satria ny zava-misy iainana, eny fa na dia amin’izao andro ny fahazavana izao aza, dia mbola manjavozavo ihany ny finoana sy ny fahatokisana an’Andriamanitra, tsy tena latsapaka ny fahalalana an’Andriamanitra fa zary fomba na fahazarana fotsiny, lasa atao fitaovana aza indraindray.

Izay ilay fiainan’olombelona. Mbola mila ezaka be anefa izany mba hampandaitra ny Vaovao Mahafalin’i Kristy eny anivon’ny fiaraha-monina eny, koa tsy sasatra i Kristy no mankahery ireo mpianany satria ny fanenjehana no manaporofo ny fiombonana lalina ao Aminy noho ny finoana sy fahatokisana Azy : “Raha olon’izao tontolo izao ianareo, dia ho tian’izao tontolo izao izay azy ; fa noho ianareo tsy olon’izao tontolo izao, dia halan’izao tontolo izao ianareo !” Ny fampitandremana ataon’i Kristy ny mpianany eto dia tsy fampitahorana tsy akory fa fanomanana mialoha sahady ny sedra tsy maintsy ho atrehana eo am-pitoriana ny fanjakan’Andriamanitra, koa tsy tokony ho kivy àry fa tsy maintsy vonona mandrakariva satria tao anatin’ny fijaliana tokoa no nanavotan’i Kristy izao tontolo izao.

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...