Alatsinainy 11 mey 2020 — Herinandro fahadimy amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 14, 21-26 — Raha niara-nitsangana tamin'i Kristy ianareo, dia ny zavatra any ambony, amin'izao itoeran'i Kristy eo ankavan'Andriamanitra, no katsaho.

0 : 00

“Izay tia an’i Jesoa, dia ho tiany ihany koa !”. Ny fitia mifamaly mahatsara ny fihavanana. Izay tia mahafoy ! Ambaran’i Jesoa amin’ny mpianany eto ny famantarana ny tena fitiavana dia ny manaiky izay tiany : “Izay manana ny didiko ka mitandrina azy no tia ahy”, traikefan’izay miaina ao anatin’ny fitiavana izany ary i Kristy no mampahatsiahy izany amin’ny mpianany eto “Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy, ka ho tian’ny Raiko ary hankeo aminy izahay ka honina ao aminy”. Honina ao am-pon’izay tia Azy Andriamanitra, tsy hoe tia “fotsiny” fa “Mino” Azy ihany koa. Andriamanitra mantsy tsy miseho afa-tsy ao am-pon’izay tia sy mankato Azy. Koa miantso antsika ho tia Azy àry i Kristy mba hahafahany honina ao amintsika ihany koa, izany hoe handray ary hankato ny tenenina mba hahafahany hoe maneho ny tenany ao amintsika.

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...