24 avrily 2025 — Alakamisy amin'ny Havaloan'ny Paka— Ity no andro nataon’ny Tompo, ka mifalia sy miravoa isika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 24, 35-48)

Ry havana; miseho amin’ny mpianany indray i Jesoa mandresy ny tahotra sy ny tsy finoan’ireo. Mirary fiadanana Izy; izay no vokatry ny Paka: fiadanana, hasamabarana sy famonjena. Porofoin’i Jesoa mihitsy fa velona izy, misakafo, mitondra ny mariky ny fijaliana ary indrindra manazava ny Soratra Masina. Raisin’Andriamanitra an-tanana ny finoantsika. Avy amin’Andriamanitra ny finoana satria marina Izy manambara; fa misy avy amin’ny olombelona koa satria valin-tenintsika, fanokafana ny fo handray an’Andriamanitra sy hanaiky ny Evanjely.

Fiekem-pinoana ambarantsika ny hoe “i Jesoa Kristy nitsangan-ko velona tamin’ny andro fahatelo araka ny voalazan’ny Soratra Masina”. Avy amin’ny fanambaran’Andriamanitra ny finoana ary fandaharan’Andriamanitra ny famonjena ao amin’i Jesoa Kristy, ka izy Ilay Teny mihitsy no manazava ny Tenany ao amin’ireo teny momba Azy. Ny finoana manko tsy miankina amintsika, tsy miankina amin’izay zavatra haintsika sy takatry ny saintsika fa ny finoana dia hoe marina sy azo antoka Andriamanitra nanambara azy.

Vokatry ny Paka koa ny fibebahana sy ny famelan-keloka. Tenin’i Jesoa tamin’ny nanorenany ny Eokaristia ny hoe “ny rany halatsaka ho an’ny be sy ny maro ho famelana ny fahotana”. Ary dia mandaitra tokoa izany ka io ankininy amin’ny Eglizy io, izay ny apostoly no vato fototra iorenany. Be fitiavana Andriamanitra. Omeny antsika izay rehetra ilaina hahavonjy, ataony izay fomba rehetra hahavonjy: sokafany ny saina hahalala ny Soratra Masina, omeny ny Vatany sy ny Rany ho sakafo, atolony ny Sakramenta fibebahana ho famelan-keloka ary miantso sy maniraka olona izy ho vavolombelona hitory. Ny hany ataontsika sisa dia ny mandray sy mizara. Mahereza àry isika; homba antsika anie ny fiadanana. Amen.

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...