23 avrily 2025 — Alarobia amin'ny Havaloan'ny Paka — Ity no andro nataon’ny Tompo, ka mifalia sy miravoa isika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 24, 13-35)

Ry havana; mitohy hatrany ny fanambaran’ny Evanjely manamarina am-pinoana fa nitsangan-ko velona i Jesoa. Mpiantra roa lahy no miresaka sy isehoan’i Jesoa indray eto. Eo amin’ny tontolon’ny fitsarana manko, raha olona iray no mijoro ho vavolombelona dia tsy azo raisina ho marina, fa roa kosa dia tena azo antoka; izany no antony itantaran’i Masindahy Lioka ireto mpianatra roa ireto, mba ho tena marina sy azo antonka ny fijoroany ho vavolombelon’ny Paka.

Mbola tanaty alahelo moa ireto mpianatra no indro i Jesoa miara-dalana aminy eny: tsarovy tsara fa rehefa isika torovan’ny fijaliana, rehefa isika aondriky ny alahelo iny, rehefa isika toa mamakivaky efitra na anaty haizina toa tsy mahita mazava iny, amin’ireny indrindra no ihaonantsika amin’i Jesoa, amin’ireny indrindra Izy no tonga miara-dalana amintsika, mitondra hazavana, mankahery, mitondra famonjena. Amin’ireny indrindra no fotoana ampandrosoana azy ao an-trano, anokanana fotoana betsaka mihitsy aza itafana, izarana aminy ny fiainana.

Nanaiky hiantrano tamin’ireo mpianany i Jesoa, niara-nisakafo rahefa avy nanazava ny Soratra Masina; dia ilay litorjian’ny Eokaristia izay, Tenin’Andriamanitra sy Tenan’Andriamanitra, tsy misaraka; ilay Teny mihitsy no tonga nofo ary nofo zary mofo mahavelona. Tsy hitan’izy ireo intsony i Jesoa avy eo, fa izy ireo kosa indray no lasa vavolombelona manambara azy hatraiza hatraiza. Fahasoavan’ny Paka izany. Fiainantsika izany: antso sy iraka. Amen.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...