19 avrily 2025 — Sabotsy Masina — Fiaretan-tory ankalazana ny Fitsanganan'i Jesoa Kristy— Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 24, 1-12)

Paka, velona i Kristy resy ny fahafatesana, resy ny ratsy, Aleloloia. Izany fahaliana izany no hirariana hanenika fon’ny tsirairay, izany hafaliana izany no hiarariana ho an’ny isam-baravaravana. Saingy toy ireo vehivavy mankany amin’ny fasana dia miantefa amintsika koa ity fanotaniana ity : Nahoana no ety amin’ny maty no hitadiavanareo ny velona? Izany hoe tsy afaka higoka tanteraka ny fandresen’i Kristy isika raha mbola any amin’ny toerana aloky ny fahafatesana no hitadiavantsika ilay Tompon’ny aina. Ny toerana maimbo fahafatesana dia ny fahotana isan-karazany, toerana maimbo fahafatesana toy ny fialonana, ny fankahalana, ny hakamoana, toerana maimbo hakiviana, toe-tsaina tsy te hivoatra, toe-tsaina tsy te handray andraikitra. Mila vohaina ny varavaram-pasana dia ilay vato be mampijanona anaty alahelo satria efa tsy ao intsony izy fa efa nitsangan-ko velona.

Ny fiainana ny Paka dia tsy ilay lamesa fankalazana any am-piangonana ihany fa ny fampanjakana an’i Kristy amin’ny fiainana isan’andro mba anafahany anao amin’ny ratsy sy ny fahafatesana. Velona i Kristy ary te hitondra anao ho amin’ny fahavelomana. Mitaky fandraisana andraikitra aminao anefa izany. Asehoy ho hitan’ny olona fa manana an’i Jesoa Kristy nitsangan-ko velona, aoka ny hatsaranao na anaty na ivelany hitory izany fitsanganan-ko velona izany. Aoka ny finoana ny fitsanganan-ko velona hipaka amin’ny fiainana andavanandro mba tsy ho lasa kobaka am-bava. Meteza ho velona miaraka amin’i Kristy. Meteza hiala amin’ny fasana misy anao! Aoka hamiratra hazavana ianao!

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...