18 avrily 2025 — Zoma Masina — Fankalazana ny fijalian'ny Tompo — Nanolo-tena hanaiky hatramin’ny fahafatesana ho antsika i Kristy, dia fahafatesana tamin’ny Hazofijaliana. Ho valin’izany kosa, dia nasandratr’Andriamanitra ambony indrindra Izy, ary nomeny Anarana mihoatra ny anarana rehetra — Fijalian'i Jesoa Kristy Tompontsika nosoratan'i Masindahy Joany (Jo. 18, 1-40 ; 19, 1-42)

Androany isika dia miara-mandinika amin’i Jesoa mifantsika amin’ny hazofijaliana ka mahita an’i Masina Maria Virjiny eo an-tongony miaraka amin’ny mpianatra malala. Isika koa dia miara-mifikitra amin’ity hazofijaliana ity satria eo ny famonjena antsika. I Jesoa mifantsika amin’ny lakroa dia nanankina tamin’ny Reniny ilay mpianatra malalany. Mpiray tampo avokoa isika rehetra, amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny toeana rehetra no itenanan’i Jesoa eto tahaka an’i Masindahy Joany.

Banjnintsika eto koa fa any amin’ny tehezan’i Jesoa no ivoahan’ny rano sy ny rà loharanon’ny aina vaovao avy any amin’Andriamanitra ho an’ny zanak’olombelona ao anatin’ny fijalian’ny fanaintainana sy ny fitadiavana famantarana, eo no teraka ny fianakaviambe vaovaon’Andriamanitra. Teo amin’ny Hazofijaliana i Jesoa no mampivondrona indray ny zavatra rehetra ho iray ao aminy. Mampihavana ny zavatra rehetra ka hahasarika azy rehetra ho eo aminy. Andeha hobanjinintsika ilay nolefonina. Tsara ny manamarika fa mifanaraka tsara ity Zoma Masina ity sy ny Zoma voalohany volana rehetra. I Masina Maria Virjiny, i Masindahy Josefa. Olontsambatra Lucien Botovasoa androany ao anatin’ny fahanginana no aoka hanampy anay, hampifantoka ny masonay amin’ny hazofijalian’i Kristy. Hanoro ny famindrampon’Andriamanitra ka zary mpamafy fiadanana sy fanantenana koa izahay. Hanorina trano be iombonana rovidrovitra. Mirary hateloana Masina ho antsika.

Zoma Masina toy izao no ahatsiarovana ny famonoana an’i Jesoa Kristy teo amin’ny hazofijaliana. Lalina ny zava-miafina ambaran’ny hazofijaliana amintsika. Ao no hibanjinantsika ny fitiavan’Andriamanitra antsika olombelona amin’ny nanolorany ny zanany Lahitokana hatao Sorona manala ny fahotana. Miantso antsika amin’ny alalan’ny fibebahana ny Tompo raha te ho voavonjy sy te ho sambatra sy ho avotra isika. Ny Rà nalatsany teo amin’ny hazofijaliana no manasa sy manadio ny fahotantsika, izy no mampihavana antsika amin’Andriamanitra, mamerina antsika hiala amin’ny fahaverezana sy ny fahafatesana. Sedra maro samihafa no natrehan’i Jesoa nandritra ny fitsarana azy. Lalaovin’ireo manam-pahefana isan-tsokajiny na ara-pivavahana na ara-panjakana nefa samy tsy misy nahita ny ratsy nataony izy ireo fa vokary ny fialonana, lolom-po ary ny fankahalana tsotra izao, dia sahin’izy ireo ny namono ny marina.

Nahatsiaro tena ho irery i Jesoa satria tsy mba nisy mpiaro ilay Zanak’ondry nanaiky hatramin’ny farany kosa izy noho ny fitiavany hamonjy antsika, manatanteraka ny sitrapon’ny Rainy. Miantso antsika rehetra ny Eglizy androany mba samy hahay hangina handinika ny fahotana nataontsika ka hibebaka hiantoraka amin’ny fijalian’ny hafa ka hanampy azy hiarina, mila fahanginana izao tontolo izao mba ahafahany manao jery todika ny fizotry ny tantaram-pamonjena. Fandalovana anefa ny Zoma Masina, ny Paka fandresena no tena zava-dehibe amintsika. Matoky isika fa eo mandrakariva ny Tompo miara-dalana amintsika na amin’ny mora na amin’ny sarotra, làlana tsy maintsy andalovana ny fahafatesana fa toy fiafaran’ny fiainana. Izay miara-mijaly amin’i Jesoa dia hiara-tsambatra aminy koa ao aorian’ny Paka ka hatraminy amin’ny fanjakan’ny lanitra.

Fankalazana ny fijalian’i Jesoa nanolo-tena izay atao Sorona ho fanavotana antsika, hirifiry mafy no niaretany tamin’izao Zoma andro fijaliana, rava endrika sy simba ny tarehiny, ny aretintsika ihany no nentiny, ny fahoriantsika no nivesarany, ny fahotantsika no nobabeny, nampijaliana sy novonoina izy na dia tsy mpanao ratsy aza. Nisolovaika ny ankalana i Jesoa, natao sakrifisy ny tenany teo amin’ny hazofijaliana, nanolotra ny ainy, noteren’ny fitiavany hamonjy antsika. Izy no martiry voalohany solon’ny Zanak’ondry fanao Sorona. Miaraha-mijaly aminy isika.

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...