13 avrily 2025 — Alahady Sampankazo — Fahatsirovana ny nidiran'ny Tompo tao Jerosalema — Fandinihana ny fijalian'i Kristy — Ho antsika, dia nanolo-Tena i Krisy hanaiky hatramin’ny fahafatesana, dia fahafatesana tamin’ny Hazofijaliana. Ho valin’izany kosa, dia nasandratr’Andriamanitra ambony indrindra Izy: ary nomeny Anarana mihoatra ny anarana rehetra — Lk. 22, 14 – 23, 56
Andro natokan’ny Eglizy ankalazana ny fidiran’ny Tompo to Jerosalema. Izy Mpanjakan’ny Jody no mpanjakantsika sy izao tontolo izao. Andro izay hidirantsika amin’ny Herinandro Masina, fotoana miavaka, ankalazana an'i Kristy nijaly, maty, nitsangan-ko velona, andro ifantohantsika bebe kokoa amin’ny fitiavan'i Kristy antsika satria izy nahafoy ny ainy ho an’ny tiany dia isika izany. (Joany 15, 13). Raha mamaky sy mihaino ny Evanjely isika androany dia manambara ny fijalian'i Jesoa.
Raisintsika ary ireto mba hanampy antsika sy handinihana an'i Jesoa Kristy ao am-po: vokatr’ireo dia anisan’ny nanameloka an'i Jesoa isika: tsy fiombonana na ny manodidina na ny mpiara-belona na ny fianakaviana. Tsy fiaraha-mientana, ny fivadibadihana na tsy fahamatorana. Oh: ny namanao dia nivadika ho fahavalo raha mivavaka na manatratra tanjona, manaraka an’izay aza miandry fahagagana fa miezaka hatrany. Ampifanaraho amin’ny sitrapon’Andriamanitra ny sitrapontsika.
Hiditra amin’ny Herinandro Masina isika manomboka amin’izao sampankazo izao, maranaka ny Sorona nataony teo ami’ny lakroa aoka ho azontsika hoe ny fiainantsika ve no voafantsika teo amin’ny lakroa miaraka aminy sy fahotantsika no nentiny teo amin’ny vatany teo ambonin’ny hazo. Nilaza izy indray mandeha fa tsy misy fitiavana lehibe noho ny mahafoy ny ainy ho an’ny tiany. Io fanomezan'i Kristy manontolo io no ankalazaintsika mandritra ny Herinandro Masina ity; koa aoka isika tsy hatahotra, aza misalasala maneho hira fiderana ny Tompo, andrasana isika rehetra amin’ny fankalazana, Alakamisy Masina, Zoma Masina sy fiartetan-tory sy Paka ary Alahadin’ny Paka, andeha isika hiaraka amin’ny velona rehetra hiaraka handohalika sy hanambara hoe: Ry Jesoa Kristy Tompo ho voninahitr’Andriamanitra Ray, ary ny litorjiantsika izay hiainana mandritra ity herinandro ity dia manamafy orina ny finoantsika.
Tompo ô, Tianay ny ho eo amin’ny vahoaka hidera anao sy hanome voninahitra anao, tsy te ho mpijery fotsiny izahay, ianao tokoa no mpanjaka tonga, mendrika ny fideranay ianao noho ny zava-dehibe rehetra nataonao sy mbola hataonao, omeo anay ny fahasoavanao, indrindra fa izahay sahirana miady na tsy mifankahazo ka tsy mitsahatra hihira ny fiderana anao, tsy am-bava fotsiny fa amin’ny ataonay rehetra.
Masina Maria virjiny Reninay ô, ombao vavaka izahay fa ianao no niaina voalohany ny fanarahana ny zanakao, indrindra ny fanolorany tanany teo aminao mba ho anay. Ianao vavolombelon’ny fanolorany ny Ainy ho anay. Amen.