26 marsa 2025 — Alarobia, Herinandro Fahatelo amin'ny Karemy — Sambatra izay mitandrina ny tenin’Andriamanitra, amin’ny fo marina sy tsara, sy mamoa amin’ny faharetana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 17-19)

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny Lalàna na ny Mpaminany,
tsy tonga handrava Aho, fa hanatanteraka.
Fa lazaiko aminareo marina tokoa,
fa mandra-pahalevon’ny lanitra sy ny tany,
dia tsy hisy ho foana akory amin’ny Lalàna na dia “i” iray
na tendron-tsoratra iray akory aza,
mandra-pahatanterak’izy rehetra.
Koa amin’izany,
izay handika ny anankiray amin’ireo didy madinika indrindra ireo,
ka hampianatra ny olona toy izany,
dia ho kely indrindra amin’ny Fanjakan’ny lanitra;
fa izay hanatanteraka sy hampianatra ireo kosa
dia ho lehibe amin’ny Fanjakan’ny lanitra.”

[Miara-dàlana] Zoma 17 oktobra 2025

• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...