15 marsa 2025 — Sabotsy, Herinandro Voalohany amin'ny Karemy — Ario lavitra anareo ny fahadisoana rehetra nataonareo, hoy ny Tompo, ary manaova fo vaovao sy saina vaovao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 43-48)

Antso avo nataon'i Kristy ho an’ny mpianany io rentsika teo io. Kristy mampianatra mba hiainan'ireo manara-dia Azy ny tena fitiavana. Fitiavana izay mihoatra ny fomba amin’ny maha olombelona. Ny fitiavana araka ny maha olona dia ilay antsoina hoe: “fitia mifamaly na koa hoe fitiavana natoraly.” Tia izay tia, mivavaka ho an’izay mivavaka, manao soa ho an'izay manao soa ny tena. Ny tena mpianatry i Kristy anefa, dia tsy mijanona amin’ny maha olombelona fotsiny fa misokatra amin’ny fitiavan’Andriamanitra, tia tsy manavaka, eny fa hatramin'izay nanisy ratsy antsika aza dia mila tiavina. Sarotra iainana izany, hoy isika, kanefa didy sy antso ho antsika mikatsaka fahalavorariana izany, fa indrindra mba hiainana ny hatsaran’Andriamanitra eo amintsika olombelona. Tsarovy àry fa ny fiainantsika ny tena fitiavana no manova izao tontolo izao tsy hanjakan’ny adilahy sy ny valifaty, ny fiainantsika ny tena fitiavana no misoroka ny ratsy tsy hiely patrana. Rahefa tsy namaly ratsy isika dia efa nifady ny fahotana, ary nanampy ny mpanao ratsy handini-tena amin’ny ratsy nataony. Araka ny tenin'i Masindahy Thomas d’Aquin: “Ny fitiavana tsara indrindra dia ny maniry ny soa ho an’ny hafa”.

Enga anie ny fitavantsika tsy hijanona eo amin’ny fitia voafetra, fitiavana atao eo amin'ireo namana akaiky fotsiny ihany fa ho tena fitiavan'i Kristy, ho maimaim-poana ary tsy hanavahana na iza na iza.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...