6 marsa 2025 — Alakamisy, manaraka ny Lavenona — Sambatra izay mitandrina ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo marina sy tsara, sy mamoa amin’ny faharetana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 9, 22-25)
Namboraka mialoha tamin’ny mpianany ny zavatra hahazo Azy ao aoriana kely i Jesoa, tsy nafeniny, hoy Izy: “Tsy maintsy hijaly mafy ny Zanak’olona, ka harian’ny loholona sy ny lehiben’ny mpisorona mbamin’ny mpanora-dalàna ary hovonoiny; fa hitsangan-ko velona avy any amin’ny maty amin’ny andro fahatelo”. Fijaliana mafy, harian’ny loholona, ny lehiben’ny mpisorona, ny mpanora-dalàna; hovonoiny, avy eo kosa hitsangan-ko velona. Fanehoana fahatokisana sy fitiavana izany fizarana tsiambaratelo izany. Fantany tsara izay hahazo azy ka tsy tiany hanampoka ny mpianany. Ary tsy hoe mody nijaly Izy, fa tena niharan’ny fangirifirina mafy mihitsy, nihatra aman’aina aza, tonga hatramin’ny fahafatesana manalabaraka. Saingy, tsy tompon’ny teny farany ny ratsy. Izany hoe: tsy mijanona amin’ny fijaliana fotsiny fa ho tonga amin’ny fitsanganan-ko velona. Lalana natolotra sy nosafidiany izany mba hamonjena antsika. Ambadiky ny alina mangina ny masoandro hiposaka fa aoka haharitra. Ankoatra ny raho-mitatao ny masoandro mibaliaka.
Tsy ny mpianany ihany anefa fa teo koa ny olona rehetra nampianariny ho an’izay te hanara-dia Azy: voalohany, tsy an-tery izany. Basy atifi-kavana ny Azy ka tonga dia narangarangany:
Fandavan-tena: amin’izay atao rehetra tena ilaina ny fandavan-tena ka mahatonga antsika havitrika sy ho tonga foana amin’ny fivoriana na asa ikatrohana.
Fitondrana hazofijaliana isan’andro: izay mavesatra sy mampahory ary mampijaly antsika isan’andro, entina eo amin’i Jesoa fa Izy hanamaivana izany. Tsy avela ireny fa entina, na isan’andro aza, ary tsy indray mandeha ihany fa isan’andro sady efa nampianatra antsika ny fitondrana izany Izy. Ny fampianarany mantsy tsy nijanona ho kabary ambony vavahady fotsiny fa tena notanterahany teo amin’ny fiainany. Tandremo fa tsy ireny tsy mandray ravin-dena ireny, na ireny tsy manana olana ireny no tiany amin’ny fanarahan-dia Azy fa ny mitondra hazofijaliana.
Fanarahana Azy: rehefa vita ireo dingana ambony ireo, amin’izay vao manaraka Azy. Marihina koa aloha fa tsy hoe mihoatra Azy fa mara-dia Azy, manaraka izay ataony, ny diany ka tsy maintsy arahin’izay manara-dia Azy ny lalana nizorany.
Izao koa, mila mahafoy ny aina raha te hamonjy azy, toy ny nataony. Diniho ireo maritiry ato amin’ny Eglizy fa raha mitsitsy aina vao mainka mahavery azy. Koa tsy ny hahazo izao tontolo izao no tokony hahamaika, nefa mamery fanahy, fa entina mamonjy fanahy izay eo amin’izao tontolo izao. Tampony indrindra ny famonjena. Araka izany, aoka tsy hifamadika ny tanjona sy ny fitaovana hahazoana ny tanjona. Tsarovy mandrakariva fa mandalo izao tontolo izao fa maharitra mandrakizay kosa ny lanitra. Izay miala amin’izany ho voa mafy indrindra fa sady very no voaheloka mandrakizay! Aza mahavoa antsika anie ny toy izany!