5 marsa 2025 — Alarobia fanosorana Lavenona — Mibebaha ianareo, hoy ny Tompo; fa efa akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 6, 1-6, 16-18)

Alarobian’ny lavenona izao ka ny fo amam-panahintsika miditra ny karemy, manomana ny Paka. Fotoana lehibe mantsy ny Paka ho antsika kristianina ka atomboka anio, amin’izao fihosorana lavenona izao ny fiomanana amin’izany, antsoina hoe: Karemy. Toriteny nataon’i Jesoa tany an-tendrombohitra ity sombina Evanjely naroso tamintsika teo ity ka fampianarana azo iainana tsara ny karemy izany. Hianika mananika ny Paka izany isika amin’izao karemy izao, ka manoro ny fomba tsara iatrehana izany ny Evanjely henontsika teo. Fomba telo arosony ho antsika amin’izany, fomba efa niainana hatramin’ny fahagola ka mandraka izao, tsy mbola niova:

Asa soa na fiantrana: fanasoavana sy fanampiana ny hafa, tsy ireharehana na isehosehoana na hieboeboana, fa tsy atao imason’olona akory aza, araka ny nolazain’i Jesoa tamintsika teo ka tsy anjonoana na amitahana azy ireny mba hahazoana na hihazonana seza toy ny amin’ny politika ratsy eto amintsika, fa tena fanasoavana tsy misy tambiny.

Mivavaka: fifandraisana amin’Andriamanitra, resaka ifanaovana Aminy, lalana iray mampitohy antsika Aminy. Tsy vavaka Farisianina anefa fa vavaka kristianina, atao am-panetren-tena tanteraka. Ataovy toy ny rivotra na rano mamelona antsika ka raha tsy eo izy tsy ho velona isika. I Jesoa aza moa nivavaka, sady naharitra nivavaka, nefa Izy Andriamanitra sy olombelona, ka mainka fa isika izay olombelona fotsiny: tena mila mivavaka ary tsy maintsy mivavaka.

Mifady hanina: manaketraka ny filàn’ny nofo, fanehoana fifehezan-tena, manampy amin’ny fibebahana, fomba tsotra sy tsara azo atao fa takiana amin’izao alarobia anosorana lavenona izao sy amin’ny zoma masina, mba handraisana anjara amin’i Jesoa nijaly noho ny fahotantsika. Amin’izay ihany mantsy sisa no takian’ny Eglizy isika hifady hanina fa tsy toy ny taloha intsony ka araraoty izany. Efa izany aza moa tsy tsaroana sy tsy vita ihany!

Azon’ny rehetra tanterahina na lahy na vavy, na kely na lehibe, na mahantra na manana ary tena mifampiankina tanteraka ireo zavatra telo ireo: vokatry ny fifadian-kanina ataotsika dia ho afaka manao asa soa isika, fa mila entina am-bavaka aloha izany mba hisy vokany. Laniana amin’ny vavaka ny fotoana verivery fotsiny ka na hifady hanina aza amin’izany tsy hampaninona akory, fa vao mainka mahazo aina ny fanahy, ary ny hafa hahazo fanampiana sy vonjy avy amintsika.

Misy iombonan’izy rehetra: tsy entina mizahozaho na ireharehana, tsy misehoseho, tsy ankalazaina be fa atao amim-panetren-tena sy am-pahanginana ary am-pahamalinana tokoa, tsy mitaky valiny. Fomba telo tsy mampikombona anaty fa mampivelatra sy mampitodika amin’ny hafa, ka na manao asa fiantrana na mivavaka na mifady hanina dia samy mahazo tombotsoa amin’izany na ny tena na ny hafa. Na izany aza anefa ny fisokafana amin’ny hafa tsy mampirehareha fa atao am-panetren-tena tanteraka. Ny Papa moa manantitrantitra, fa tsy ny fomba ety ivelany no inona fa ny ao anaty, ka miezaka manao asa soa ny fo amam-panahy: mizara hafaliana sy ny tsara fa tsy sanatria mifosafosa sy manaratsy ny hafa, mba ho lasa vavaka vokatry ny fo ny atao, ary fialan’ny fo sy ny saina amin’ny ratsy rehetra isan-karazany ny fifadian-kanina; hahazoana ny fiovam-po takiana amin’izao karemy izao: ilay fo vato ho lasa fo nofo.

Aoka hiara-dia hanomboka izao karemy izao fa tsy hanao ampitso ampitso lava mba hiara-mamarana tsara izany amin’ny Paka. Tsara ho marihina fa miasa mafy ny demony handaboka antsika amin’izao karemy izao, ka mila toherina izy ary finoana mafy orina entina manao izany mba handresy toa an’i Kristy isika. Mirary karemy hamokatra ho antsika rehetra mba ho tonga amin’ny Paka fandresena marina tokoa.

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...