19 febroary 2025 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahenina Mandavantaona — Izaho no Fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo, izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan’ny fiainana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 8, 22-26)

Tamin’izany andro izany,
tonga tany Betsaida i Jesoa sy ny mpianany,
ary nisy nitondra lehilahy jamba anankiray teo aminy,
sy nangataka taminy mba hanendry azy.
Dia noraisin’i Jesoa ny tanan’ilay jamba
ka nentiny nivoaka ny tanàna izy;
nasiany rora ny masony, nametrahany tanana izy,
ary nanontaniany raha mahita zavatra.

Dia niandrandra ilay jamba ka nanao hoe:

“Ny fahitako ny olona mamindra dia sahalahala amin’ny hazo.”

Dia nametrahany tanana indray ny masony,
ka nasainy nijery izy,
izay vao sitrana tsara sy nahita mazava ny zavatra rehetra.

Ary nasain’Jesoa nody any an-tranony izy sy nilazany hoe:

“Modia any an-tranonao,
fa aza miakatra ao an-tanàna
na milaza izany amin’ny olona ao an-tanàna.”

Harena ny harena raha mamokatra ary mamokatra ho an'ny besinimaro

Ho an'ny tompon'andraikitra isan'ambaratonga eto amin'ny firenena, Ho an'ny vahoaka Malagasy sy ireo olona tsara sitrapo. Homba anareo mandrakariva anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin'i Jesoa Kristy Tompo ! Indroa isan-taona no manao fihaonana lehibe (Assemblée Générale) izahay Vaomieran'ny Eveka momba ny fahamarinana sy fiadanana (Justice et Paix) cto Madagasikara. Tamin'ity taona 2025 ity dia notanterahina ny 08 May ka hatramin'ny 12 May ny fihaonanavoalohany teto Madiorano - Diosezy Toliara....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...