15 febroary 2025 — Sabotsy, Herinandro Tsotra fahadimy Mandavantaona — Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 8, 1-10)

Fantatr’i Jesoa ny hanoanan’izay manara-dia azy, mangoraka azy ireo izy nefa tsy te hanao asa samy irery fa nanasa ny mpianany hanampy azy hikarakara ireto vahoaka ireto. Nefa ny mpianatra dia tsy nanana afa-tsy mofo fito fotsiny. Kely dia kely tokoa raha oharina amin'ny zavatra ilaina mba hamahanana ireto vahoaka maro be ireto. Ho an’i Jesoa anefa tsy ny habetsany no takiny fa hoe misy ve? Izay kely misy no tsofiny rano, ho tonga fahasoavana ho an’ny rehetra. I Jesoa dia manome lesona tena lehibe ho antsika: ento eo Aminy izay kely ananantsika, avy eo dia hanao zavatra lehibe tokoa Izy amin’izany, tsy ho anao samy irery fa ho an’ny olona rehetra. Ka noho izany, aza manao zavatra irery ho an’ny tenanao fa ataovy ho an’ny hafa ihany koa, aza miandry ny hanana ny zava-drehetra vao manomboka zavatra, fa atolory am-pinoana izay kely ananantsika fa Andriamanitra mahay manova izany ho zavatra lehibe eo amin’ny fiainanao sy ny an’ny hafa.

Magataha àry amin’Andriamanitra mba tsy hiantehitra amin’ny tenantsika, amin’ny herintsika, fa tokony hametraka fitokiana amin’i Jesoa isika.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...