10 febroary 2025 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra fahadimy Mandavantaona — Araikao amin’ny fanambaranao ny foko, ry Tompo, ary ny Lalànao no aoka hanenika ahy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 6, 53-56)
Niely ny lazan’i Jesoa, mazava ho azy fa noho ny zavatra maro tsara nataony. Ka tsy nisalasala ny olona nandeha an-kilaometatra hanatona Azy, mba hositraniny. Tena matoky azy izy ireo. Azo antoka fa tsy fantatr’izy ireo hoe iza marina i Jesoa. Tsy tonga hahita ny Mesia, Zanak’Andriamanitra izy ireo, fa ilay lehilahy manana “hery” lehibe izay afaka manasitrana sy mitondra fiadanana ho azy ireo.
Matetika koa isika no mbola manao izany hatramin’izao androntsika izao. Ohatra, tsy mitady ny "mpitsabo tena tsara" ve isika? Ary rehefa misy olona manana fanomezam-pahasoavana manokana tonga eto amin’ny faritra misy antsika, moa ve isika tsy hiezaka hahita azy? Amin’izany isika dia tahaka ny olona tamin’izany fotoana izany izay nihazakazaka nanaraka an’i Jesoa. Tsy hoe ratsy izany fa ny tokony tsy adinoin alohan’ny handehanantsika mipapapa etsy sy ireo: efa nanontany tena ve isika hoe inona marina no azon’i Jesoa atao ao anatintsika? Fantatsika fa mihoatra lavitra noho ny olombelona i Jesoa, fa Zanak’Andriamanitra. Izy no afaka manao ny zava-drehetra ao anatintsika. Ary ny hihaona aminy dia tsy ilaina ny mandeha kilaometatra, na ny ho any amin'ny andro iray amin'ny fotoana voafaritra! Kanefa moa ve isika manana finoana ampy Azy ka mahafoy fotsiny ny tenantsika eo an-tanany, ka ny fihainona ny teniny sy ny fandraisana Azy dia tena zava-dehibe ho antsika amin’izao.
Mihoatra noho ny mikasika “ny moron-tongotr’akanjony” ihany no ataontsika: mandray ny Tenan’i Kristy ao amin’ny vatantsika tokoa isika. Mihoatra noho ny fanasitranana ny aretintsika ara-batana ihany no manasitrana ny fanahintsika ny Kômonio ary manome antoka miombona anjar amin’ny fiainan’Andriamanitra isika. Hitan’i Masindahy Ignace avy any Antiokia araka izany tao amin’ny Eokaristia “ny fanafodin’ny tsy fahafatesana mandrakizay, velona mandrakizay ao amin’i Jesoa Kristy isika satria miombona aina Aminy”.