Sabotsy 18 aprily 2020 — Sabotsy amin'ny havaloanandron'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 16, 9-15 — Ity no andro nataon'ny Tompo, ka mifalia sy miravoa isika !

0 : 00

Toa mamintina ny fisehoan’i Jesoa tafatsangan-ko velona ity Evanjelin’i Md Marka ity, mamintina ny hitantsika tamin’ity herinandro ity. Mbola ao anatin’ny havaloana, andro fahafito isika izao, hankalazana ny Paka : dia i Kristy maty sy nitsangan-ko velona, fototry ny finoantsika. Marihina etona fa tsy amin’olombelona fotsiny, mety maty fa tsy nitsangana akory, na amin’olona milaza fa mahay izatsy sy zaroa, na koa amin’ny voary nataon-tanana, na rafitra tsara petraka no anankinana ny finoantsika fa amin’Izy Kristy, maty sy nitsangan-ko velona : sady olombelona feno no Andriamanitra feno koa.

Koa amin’ity Evanjely ity, i Jesoa niseho voalohany tamin’i Maria Madelenina, ilay namoahany demony fito. Tsy mahagaga izany satria nesoriny tamin’ny geja mamatotra azy mafy ity vehivavy ity ka nisy fifankahazoana am-po tamin’izy ireo, tsy nahasaraka Azy intsony izy. Be lavitra noho izany aza angamba no mety nataon’i Jesoa tamintsika koa aiza ho aiza isika ? Manao ahoana ny fifankahazoana am-po Aminy ? Paka ny andro, aoka tsy ho very momoka ny fanafahany antsika. Vehivavy koa fa tsy lehilahy. Nanomboka nomena ny anjara toerany ny vehivavy fa tsy isan’olona fotsiny. Azo lazaina fa Apostolin’ireo Apostoly izy amin’izany. Midika izany fa tsy misy azo tsinontsinoavina ato amin’ny Eglizy na lahy na vavy ; na izany aza anefa samy manana ny anjara toerany fa tsy mety ny mifampitsabaka fa samy mitana ny azy. Tsara ho marihina eto fa tsy nasolo ny Apostoly akory i Maria Madelenina fa nirahina hitory Azy Kristy tafatsangan-ko velona.

Niampitampita ny iraka satria izy nitory izany koa tamin’ireo nanaraka azy, izay mbola nalahelo sy nitomany. Izany tokoa fa rehefa sarak’olon-tiana : ory sy malahelo tokoa ary tomany. Ny vehivavy no aoka ho Apostolin’ny vehivavy toa azy. Izany akory tsy manakana azy hitory amin’ny lehilahy, ka tsara atombony amin’ny ao an-tranony. Misy tokoa mantsy ireny lazaintsika fa lohan’ny tokantrano ireny no toa fary ka izy lohany indray no matsatso, sady manampy trotraka izany, iny loham-pary iny no mora maniry ka maniry etsy sy eroa ! Paka ny andro, aoka ho tena Paka ny fiainantsika fa tsy ho toy izany intsony.

Efa hatramin’ny andron’i Jesoa no malaina mino ny olona : jereo ireto nanaraka an’i Maria Madelenina, ka hatramin’izao androntsika izao, hany ka lasa fety ivelany fotsiny ny Paka ho an’ny sasany fa tsy ilay fototry ny finoana ivelomana sy iainana. Aoka ifandrisika amin’izany isika ka ifanohintohina sy ifanohatohana hatrany. Niseho tamin’ny mpianatra hafa, roalahy koa i Jesoa : efa nohalalinintsika izy ireo nankany Emaosy. Fa izy ireo no nilaza tamin’ny namany fa sarotra mino hatrany e ! Farany vao tamin’izy 11 lahy, Apostoly, ka nahazo tsiny noho ny tsy finoany sy ny hamafin’ny fony. Sao koa lahy isika koa ankehitriny no toy izany amin’ny finoantsika satria finoana misomidika ambony toa menaka fotsiny fa tsy latsaka anaty toa tsoka, na koa finoana manitsiditsina toy ny angidina ka any an-kady no iafarana, na toy ny akofa ka entin’ny rivotra manidina fa tsy milatsaka ho vary madio hatao an-tsompitra ! Samy mahazo iraka hitory Azy Kristy tafatsangan-ko velona isika rehetra fa aoka aloha ny tenantsika mihitsy no ho vonton’izany mialoha hahafahana mampita amin’ny hafa, mba ho Evanjely mivelatra eo imason’ny olona ny fiainantsika vonton’ny Paka, avy eo ny manodidina antsika ka miitatra hatrany hatrany. Amin’izay fotoana izay hipaka amin’ny faravazan-tany ny Pakan’i Kristy. Ho tanteraka anie izany. Amen.

[Miara-dàalana] Zoma 27 septambra 2024

♦ Hateloana andro izao no nankalazana ny fetin'i Masindahy Vincent de Paul, ho an'ny Diôsezin'i Tolagnaro, nanomboka ny 25 septambra 2024... ♦ Nandresy ny demony i Kristy ary nanome antsika ny Fanahy Masina, mba handresentsika toa azy koa. Io no hevi-dehibe nifantohan'ny Papa François nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience générale, ny 25 septambra 2024... ♦ Nanentana ny hisian'ny fiaraha-miasa sy ny firaisan-kinan'ny firenena ny Papa François, tamin'ny Fitsidihana apôstôlika ivelan'i Roma, andiany faha-46, nataony tany Luxembourg...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...