30 desambra 2024 — Andro fahenina amin'ny Havaloan'ny Noely — Imbetsaka fahiny Andriamanitra no niteny tamin’ny razantsika tamin’ny vavan’ny Mpaminany; nony farany, amin’izao androntsika izao kosa dia ny Zanany mihitsy no itenenany amintsika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk 2, 36-40)
Ny faminanian’i Ana, mpaminany vavy, no resahan’ny Evanjely amintsika eto. Ny dikan’ny anarana hoe “Ana” dia nosoavina. Zanak’i Fanoely izy; ka ny dikan’ny teny Hebrio hoe “Fanoela” dia endrik’Andriamanitra. Avy amin’ny fokon’i Asera izy; ka ny hevitry ny teny hoe “Asera” dia ilay notahiana. Ka i Ana izany dia nosoavina sy notahiana ka afaka nahita ny endrik’Andriamanitra. Izay no nahatonga azy mbola nahita an’i Jesoa na dia efa tena antitra aza. Ary tao anatin’ny fahafenoan’ny taonany tanteraka izy no nahita endrika an’Andriamanitra. Satria ny taonany 84 dia avy amin’ny 12 ampitomboina 7 izay manondro fahafenoana tanteraka. Izany hoe nanehoan’Andriamanitra ny famonjena izay efa nandrasany hatry ny ela izy, ka izany no niderany an’Andriamanitra. Satria ny olona voavonjy no afaka midera an’Andriamanitra (Ap 7, 10 ; 15, 3).
Ambonin’izany, na dia efa antitra sy mpitondratena aza izy dia tsy nitsahatra nanompo an’Andriamanitra. Ny atao hoe “mpitondratena” anefa araky ny famaritan’i Masindahy Paoly azy dia “olona tsy mba manana na iza na iza fa honjohonjin’izy irery no sisa, ka Andriamanitra no hany antenainy” 1Tm 5, 5. Midika izany fa olona tsinontsinona i Ana; kanefa naharitra nanompo an’Andriamanitra.
Inona no azo tsoahina amin’izany? Dia izao: ny fanasoavan’Andriamanitra an’i Ana dia tsy tongatonga ho azy tao aminy, fa niankina tamin’ny ezaka lehibe nataony. Noho izany, ny mahasingany irery antsika sy ny mahatsinontsinona antsika, izay toa zava-poana sy enta-mavesatra ho an’ny olona noho ny taona ohatra, dia tsy sakana amin’ny fanompoana an’Andriamanitra ary tsy tokony hampanary toky antsika. Jereo ny ohatra nomen’i Ana eto. 84 taona nefa mbola nidera an’Andriamanitra sy nilazalaza ny momba ny Zaza amin’ny famonjena an’i Israely. Mbola nitory an’i Kristy izy na dia efa tena antitra aza. Lasa apôstôlin’i Kristy izy. Midika izany fa tsy sakana amin’ny fandraisana ny antson’Andriamanitra sy ny iraka ampanaoviny ny vesatry ny taona na ny fahanterana. Koa torio amin’izay manandrify anao àry i Kristy.
Farany, rehefa tanterak’izy telo mianaka ny lalàn’i Môizy dia nody tany Nazareta tanànany izy. Nody niaina ny fiainam-pianakaviana andavanandro. Milaza amintsika izany fa tena zava-dehibe io andavanandrom-piainantsika io ka tokony hamasinina. Satria izany no niarahan’i Jesoa niara-nitoetra tamin’ny fianakaviany 30 taona tao Nazareta. Tsy fiainana miafina tsy nisy dikany akory ny fotoana lava nijanonan’i Jesoa tao Nazareta; fa fanamasinana ny fianakaviana tamin’ny fahendreny sy ny fahasoavan’Andriamanitra tao Aminy. Noho izany, omeo hasina ny fianakaviana fa sarobidy eo imason’Andriamanitra ny fianakaviana matoa nitoeran’i Jesoa fotoana lava.