28 desambra 2024 — Ireo zaza tsy manan-tsiny, Martiry — Fety — Midera Anao izahay, ary manaiky fa Ianao no Tompo; ny tafika manehoehon'ny martiry dia midera Anao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt 2, 13-18)

Nambaran’i Masindahy Matio teo fa talohan’ny tetika fandringanana ireo zaza tsy manan-tsiny, nataon’i Heroda, dia efa nandidy an‘i Masindahy Josefa, Ray mpitaiza ny Zanany Andriamanitra, handositra any Egypta. Niaro ny Zanany Andriamanitra, tsy tamin’ny fomba mahagaga manaitra ny maro anefa fa tamim-pilazana mialoha an’i Josefa tao anatin’ny fahanginana, hatanteraka ny tenin’ny Mpaminany hoe: “Nantsoiko hiala tany Egypta ny Zanako”, sahala amin’i Israely niala tao Egypta ho any amin’ny tany nampanantenaina, niala tao amin’ny fanandevozana ho amin’ny fahafahana. Tsy olona hafahana anefa eto i Kristy fa ilay Mpanafaka, Izy teraka no hanala antsika olombelona amin’ny zioga manavesatra manjo antsika.

Tarovy mandrakariva fa tsy ny be saina na ny be sandry na izay heverina fa mahay indrindra, toa an-dry Heroda, no tompon’ny teny farany fa izay mahay mihaino sy mitoky amin’Andriamanitra, sahala amin’i Masindahy Josefa. Na dia izany aza anefa dia misy foana ireo sorona, misolo vaika ny ankalana, miaritra ny mafy sy tsy rariny, vavolombelona ireny maneho ny fanoherantsika olombelona eo anatrehan’ny fandaharam-pamonjena ataon’Andriamanitra. Ho avy ny fotoana fa tsy sitrak’Andriamanitra hijaly foana ny zanany.

Ny fitiavan-tena, ny voninahitra sy ny fahefana no mahatonga fanilikiliana na famonoana ny hafa. Koa miezaha hiala ao anatin’izany haratsiana izany, meteza hianatra ny fomban’Andriamanitra ao amin’ity Zanany tonga nofo, mba ahitantsika tsirairay avy sy ny olombelona rehetra ny fiadanana marina.

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...