27 desambra 2024 — Masindahy Joany, Apôstôly — Fety — Andriamanitra ô, midera anao izahay, mankalaza anao izahay; ary mihoby anao ny antokon'ny Apôstôly — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo 20, 2-8)

Anisan’ireo azo lazaina fa niavaka indrindra tamin’ny mpianatr’i Jesoa i Masindahy Joany, ankalazaina fety anio ity. Izy tenany no mitantara ny zava-nisy niainany tamin’ny andro nitsanganan’i Jesoa ho velona. Izy ilay mpianatra voalaza fa “nahita ka nino”. Finoana tsy tongatonga ho azy fa efa tsara fototra, ary finoana lalina. Lafiny telo no azo ifampizarana io toetry ny finoana nananan’i Masindahy Joany io, tsara ianarantsika amin’izao andro ankalazana ny fetiny izao.

Ilay fitiavan’i Kristy niantefa taminy. Izy no ilay mpianatra malala, voalaza matetita ao amin’ny Evanjely nosoratany. Io endri-pifandraisaina io anefa tsy misy afaka hamaritra na hanazava, afa-tsy izay miaina azy ihany. Ilay TIA sy TIANA ihany no hahatsapa ny habeny sy ny halalin’ny fitiavana mamatotra azy. I Joany no nahalala fa Fitiavana Andriamanitra, ary tao amin’i Kristy no niharihary izany. Ary io fahalalany io no nahatonga azy hiraiki-po tsy hisaraka tamin’i Kristy tamin’izay rehetra nisy Azy. Fantany fa mahery ny Fitiavana ka na ny fasana aza tsy haharesy azy. Tsy mahagaga araka izany raha toa ka izy no tonga voalohany tany amin’ny fasana nilevenan’I Jesoa. Tsapatsika ve ny fitiavan’Andriamanitra antsika, ary inona no ataontsika iainana io fitiavana io?

Ny finoana mafy orina nananany. Ho an’i Masindahy Joany, ny zavatra rehetra niarahana tamin’i Jesoa, dia manambara zava-miafina momba Azy, dia ny mistery maha Andriamanitra Azy izany. I Joany no mahita fa ny hazofijaliana namonoana an’i Jesoa, nihariarian’ny maha Mpanjaka Azy, no fototry ny fahavelomana ho antsika olombelona, nahavelona antsika indray tao amin’Andriamanitra ary ny rà sy rano nivoaka tamin’ny fony voalefona, no loharanom-pahasoavana hameloman’Andriamanitra antsika zanany. Ny tena finoana, tsy mijanona amin’ny zavatra hita maso fa mitondra antsika any amin’izay ambarany. Izay rehetra ankalazaintsika sy raisintsika ao amin’ny Eglizy, dia mampiharihary izany avokoa, mampifandray sy mitondra antsika any amin’Andriamanitra.

Ny fandraisany an’i Masina Maria ao aminy. Azo lazaina hoe nampifandraisin’i Jesoa hiara-hitoetra i Joany sy Maria Reniny. “Joany, io Reninao, Ravehivavy, io ny zanakao”. I Joany no nino fa tsy nifarana teo am-pototry hazofijaliana akory ny fifandraisana sy ny fiaraha-miasa misy eo amin’i Jesoa sy i Maria Reniny, fa mitohy sy miampita amin’ny taranaka rehetra. Ka ny tsy fanadinoana sy fanomezana lanja an’i Masina Maria, dia efa valim-pitia atao an’ilay TIA, dia i Jesoa izany. Ary efa fanehoany sahady koa fa tsy misaraka amin’i Masina Maria, Renin’ny Mpamonjy ny olombelona rehetra, ny Eglizy. Isika tia an’i Jesoa ve mandray sy manaja ny Reniny.

Meteza ho mpianatra mahalala toa an’i Masindahy Joany, hahatsiaro hoe tian’i Jesoa ka hanao izay mahafaly an’Andriamanitra mandrakariva.

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...