23 desambra 2024 — Herinandro mialoha ny Noely— Ianao ilay Emanoela Mpanjaka sy Mpanalalana anay; avia hamonjy anay, ry Tompo Andriamanitray — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk 1, 57-66)

Efa fahaterahana mahagaga sy mifono mistery, toa ny hakan’ny Zanak’Andriamanitra nofo tao ankibon’i Maria, ity fahaterahan’i Joany Batista, tantarain’i Masindahy Lioka teo ity. Fahaterahana mihoatra ny fahefana sy ny lahatra amin’ny lalam-piainantsika olombelona, fa efa manambara sahady ny herin’Andriamanitra, mahavita izay tiany. “Fa tsy misy tsy hain’Andriamanitra atao”. Zokiolona ny ray aman-drenin’i Joany Batista fa kosa nino sy natoky an’Andrimanitra, ka nomeny taranaka. Aoka tsy ho adinointsika fa lalan’ny finoana no ahateraka ny zanak’Andriamanitra ao am-pontsika sy hiainantsika io fahateraham-baovao io.

Endrika iray mampiditra ny olona ao anatin’ny vahoaka voafidin’Andriamanitra ny famorana araka ny Testamenta Taloha. Mirakitra ny fifamatoran’izay mino amin’Andriamanitra, (Lev 12, 3: lalana avy amin’Andriamanitra ho an’ny vahoaka tamin’ny alalan’i Moizy) hahatsiarovana ny fanekem-pihavana mandrakizay nataon’Andriamanitra tamin’ny vohoakany. Tsy mijanona amin’ny ara-nofo anefa ny famorana fa manambara ny ara-panahy, dia famorana ny fontsika izany (Dt 10, 15) mba ho afaka handray sy hitia ary hankatoa an’Andriamanitra ireo nofidiny. Antso ho amin’ny fibebahana ny hevitry ny famorana, ialana amin’ireo sakana maro, vokatry ny fahotana, tsy ahafahantsika olombelona mitia an’Andriamanitra marina.

Nanaiky sy niaina io fomba io i Zakaria sy i Elisabeth, nanehoany ny finoany an’Andriamanitra ary naharitra tamin’izany izy ireo. Niaritra ireo fijaliana, endrika fisedrana, tsy fananan-janaka izay henatra sy fahafaham-baraka tamin’izany fotoana izany, nanaiky am-panetren-tena sy am-pitiavana teo anatrehan’ny fandaharan’Andriamanitra indray, rahefa nahazo taranaka; faneken’i Zakaria ho voafafa anarana manoloana ny taranany, ka tojo ny famonjena nampanantenain’Andriamanitra hatramin’izay.

Teboka telo no fianarana ho antsika, hananantsika toe-po tahaka an’i Zakaria sy Elisabeth:

  1. Ny finoana no anantenantsika ny herin’Andriamanitra sy ny fahasoavana ilaintsika eto amin’ity fiainana ity ary io finoana io ihany koa no ahafahan’Andriamanitra miditra ao am-pontsika sy manana anjara toerana eo amin’ny fiainantsika. Mahareta amin’ny finoana fa tsy hisy tsy ho hain’Andriamanitra hatao.
  2. Eto am-piomanana handray ny Mpamonjy teraka isika, meteza ho forana ny fontsika, mba ho mendrika Azy ary hahatsara fiaraha-monina Aminy.
  3. Ny manam-pinoana matetika mandalo fisedrana, aza manary toky fa ny faharetantsika ihany no hamonjena antsika.

Jesoa ô, ovay ny fonay ho mendrika Anao.

[Miara-dàlana] Zoma 20 desambra 2024

  • Hosokafana ny alahady 29 desambra 2024 ny Varavarana Masina ao amin'ny Katedraly Masina Maria tsy azon-keloka, ho fanamarihana ny fanokafana ny fankalazana ny Taon-jobily eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo...
  • Nanomboka andiany vaovao amin'ny katesizy, mitondra ny lohateny hoe: “I Jesoa Kristy, fanantenantsika”, ny Papa François ny alarobia 18 desambra 2024...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...