Zoma 17 aprily 2020 — Zoma amin'ny havaloanandron'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 21, 1-14 — Ity no andro nataon'ny Tompo, ka mifalia sy miravoa isika.

0 : 00

Mbola resaka fisehoan’i Jesoa tafatsangan-ko velona tamin’ny mpianany hatrany ny Evanjely aroso amintsika izao : dia Izy niseho tamin’ny mpianany teo amoron-dranomasin’i Tiberiady. Fisehoana fanintelony, araka ny fitantaran’i Md Joany Evanjelistra azy. Niseho tamin’ny mpianatra maromaro Izy. Tsy indray mandeha na indroa na intelo fotsiny i Jesoa no miseho amintsika fa isan'andro vaky, indrindra amin’izao fankalazana ny Paka izao. Tsy fisehosehoana ivelany fotsiny ny Azy, tsy filàna dera na sitraka akory aza fa fisehoan’Ilay maty fa nitsangan-ko velona amin’ny vadiny malalany dia ny Eglizy izany, izay tenany ihany mba tiany hitombo finoana, ankahereziny, ombany fahasoavana hatrany.

Toa sarin’ny Eglizy ny zava-nitranga teto : I Piera handeha hanarato, ny mpianatra sasany nilaza fa hiaraka aminy. Mitarika, araka izany, i Piera, toa maneho ny Papa mitondra ny Eglizy, ireto mpianatra maneho ny fiaraha-miasa amin’i Piera, ary sambo iray no nidirana, fa tsy samy nandeha samy nitady, na dia azon’izy ireo natao tsara àry izany ; tsy inona izany fa ny Eglizy. Tsy namela an’i Piera handeha irery ireto mpianatra sasany fa niaraka taminy. Koa aoka isika hivavaka ho an’ny Eglizin’i Kristy, izay maro mpanenjika ankehitriny : na mpitondra na ny vahoaka ao anatiny mba hizotra amin’ny lalana tian’Izy Kristy mpanorina azy fa tsy sanatria isika samy isika indray no hifanenjika sy hifanaratsy. Fanampin’izany, hivavaka koa isika ho an’ny firaisan’ny Eglizy mba ho tanteraka ny vavaka nataon’Izy Kristy, dia hoe : “mba ho iray ihany izy rehetra”.

Mpanarato ireto mpianatra ireto ka hainy tsara ny mahakasika ny rano, ny trondro, ny manodidina an’izany. Niasa nandritra ny alina izy ireo, nanarato nefa tsy nahazo na inona na inona. Toa midika izany fa tsy ny fahaizana akory no inona fa raha tsy eo Izy Andriamanitra, dia toa zava-poana ihany izany. Mampiala maina ny zavatra atao tsy iombonana amin’Izy Kristy Andriamanitra ! Hafa ihany ny miaraka aminy. Mila Azy isika, mila ny fanampiany hatrany. Diniho tsara amin’izao valan’aretina mianjady amin’izao tontolo izao, indrindra ity tanindrazantsika ity. Ankino aminy mandrakariva fa hivaha ny olana. Hoy i Jesoa tamin’ny mpianany sady miantefa amintsika mivantana ankehitriny izany : “Manan-kanina va ianareo, anaka ?” "Alatsaho ao ankavanan’ny sambo kely àry ny haratonareo, fa hahazo ianareo". Tsy foiny ho noana na ho kere na ho fatin’ny hanohanana isika ka omeny sakafo fa tiany handatsaka ny haratontsika ao amin’ny ankavanana fa tsy any an-kafa. Fa isika no mikaviavia matetika, any an-kafa no mahamaika ka aza gaga raha tsy mahazo ! Tsy tian’i Jesoa koa ny miandry mahazo fotsiny fa tsy maintsy mandatsaka harato aloha : misasatra vao mahazo. Ilaina ny manaraka ny baikony raha te hahomby sy hamokatra ; fa tsy manao izay saim-pantatra fotsiny any.

Rehefa manome Izy dia betsaka no omeny : tsy zaka, tsy lany laniana, sady avo loha no mitobaka aza matetika fa isika no kahihitra, diso mikafiro, manjaitra atody aza ny sasany. Paka ny andro. Manampy antsika hiaina bebe koa izany ity Evanjely ity. Ny an’i Ramose Lucien Botovasoa aza moa dia ny ainy mihitsy no nafoiny.

Farany, Izy Jesoa tafatsangan-ko velona mihitsy no manasa antsika hisakafo, tsy inona izany fa ny teniny sy ny tenany amin’izao Paka izao. Meteza mandray Azy fa sady mpanasa Izy no sakafo aroso, nefa koa mbola latabatra hihinanana no mpikarakara ! Aiza indray no misy tahaka an’izany ! Tsy ho very maina anie izao Paka ankalazaintsika izao. Amen.

[Miara-dàalana] Zoma 27 septambra 2024

♦ Hateloana andro izao no nankalazana ny fetin'i Masindahy Vincent de Paul, ho an'ny Diôsezin'i Tolagnaro, nanomboka ny 25 septambra 2024... ♦ Nandresy ny demony i Kristy ary nanome antsika ny Fanahy Masina, mba handresentsika toa azy koa. Io no hevi-dehibe nifantohan'ny Papa François nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience générale, ny 25 septambra 2024... ♦ Nanentana ny hisian'ny fiaraha-miasa sy ny firaisan-kinan'ny firenena ny Papa François, tamin'ny Fitsidihana apôstôlika ivelan'i Roma, andiany faha-46, nataony tany Luxembourg...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...