20 desambra 2024 — Herinandro mialoha ny Noely — Ianao ilay Emanoela Mpanjaka sy Mpanalalana anay, avia hamonjy anay, ry Tompo Andriamanitray — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk 1, 26-38)

Naroso tamintsika teo ny tantara nakan’ny Zanak’Andriamanitra nofo tao ankibon’i Maria. Saika efa haintsika tsianjery izany. Irak’Andriamanitra ny Anjely Gabriely hanambara ny nifidianany manokana an’i Maria ho tonga renin’ny Zanany Lahitokana amin’ny fomba manokana. Izany hoe Andriamanitra miditra amin’ny fiainantsika olombelona, ka tsy hoe mamotika ny kinasantsika Izy fa vao mainka aza manatsara sy manandratra izany. Ankehitriny, tsy maniraka Anjely mivantana intsony Izy fa amin’ny alalan’ireo mpandraharahany ao amin’ny Eglizy matetika, ka mahay mandray azy ireny ve isika sa manilika na koa misy zavatra andrasantsika aminy, tiantsika hataony amintsika dia mody tambazana izatsy sy zaroa izy ireny ka avy eo entintsika amin’izay tiantsika hanaovana azy! Aza misy anie ny toy izany. Misy koa moa tsy te handray azy ireny isika satria matahotra ny entanina hiala amin’ny tokantrano imaso ka hiroso amin’ny mariazy, na koa hoe hivavaka fa kamokamo dia tsy te handray ka ho voa mafy. Raha tsorina dia hoe betsaka ny irak’Andriamanitra ankehitriny ka mahaiza mandray azy ireny isika, fa aza odiana fanina satria mampiantrano an’Andriamanitra isika, toy ny nataon’i Maria raha tonga tao aminy ny Anjely Gabriely, irak’Andriamanitra.

I Maria: vehivavy tokana aman-tany, nosafidiana manokana tanatin’ny maro hintondra an’Ilay Zanany tokana ao am-bohoka, hanome vatana Azy ka ho lasa renin’Andriamanitra amin’ny fomba tsy manam-paharoa. Isika koa noho ny Batemy noraisintsika sy ireo sakramenta hafa efa noraisintsika dia isan’ny voafidy ho zanak’Andriamanitra sy hiaina ary hanabe voho izany; koa aza mandraraka ilo mby an-doha, voninahitra an-tsobika aza atao ampatram-bary, izay efa nasandratra aza afotetaka. Manaraka izany, nanadihady i Maria ny fomba hahatanterahan’izany, ka rehefa nahazo fanazavana sy ohatra mitohoka amin’ny tenda: ny an’i Elizabeta rahavaviny izay efa antitra sy momba kanefa indro koa fa mitoe-jaza ankehitriny, nanaiky avy hatrany: nanao ENY tamin’Andriamanitra izy hahatontosa ny famonjena. Araka izany, ilaina ny manadihady fa tsy manara-davahana fotsiny. Satria amin’izao androntsika izao betsaka koa ny milaza ho irak’Andriamanitra kanefa mijery taratra ny ao an-trano na maka izay ao rehefa rebirebena ny tompon-trano. Soa fa tsy toy izany daholo ny rehetra. Ilaina ihany koa ny manadihady mba tsy hihinana amam-bolony ka rehefa tojo ny sarotra vao mihemotra ka ho tara loatra amin’izay. Tsy nisy an-tery anefa eto ny faneken’i Maria, fa antsitra-po tokoa ka lasa modely amin’ny fanekena ny sitrapon’Andriamanitra izy na dia olombelona fotsiny ihany aza. Aoka re tsy maika hanao ENY amin’ny ratsy isika fa aoka amin’ny tsara, tsy amin’ny Demony fa amin’Andriamanitra. Aoka ho eo ambavantsika mandrakariva ny tenin’i Maria amin’ny fanantontosana izany sitrapon’Andriamanitra izany sy izay nifidianany antsika ihany koa, ka hanao hoe: “Inty aho ankizivavin’ny Tompo, aoka anie ho tanteraka amiko araka ny teninao”, na lahy isika na vavy. Aza ajanona ho vavaka fotsiny ny Anjelisy famerimberintsika matetika fa ho tena lasa fiainana mihitsy.

[Miara-dàlana] Zoma 20 desambra 2024

  • Hosokafana ny alahady 29 desambra 2024 ny Varavarana Masina ao amin'ny Katedraly Masina Maria tsy azon-keloka, ho fanamarihana ny fanokafana ny fankalazana ny Taon-jobily eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo...
  • Nanomboka andiany vaovao amin'ny katesizy, mitondra ny lohateny hoe: “I Jesoa Kristy, fanantenantsika”, ny Papa François ny alarobia 18 desambra 2024...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...