9 desambra 2024 — Masina Maria notorontoronina tsy azon-keloka — Fankalazana manetriketrika— Arahaba, ry Maria feno hasoavana; ny Tompo ao aminao; nosoavina noho ny vehivavy rehetra ianao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk 1, 26-38)

Fankalazana manetriketrika an’i Masina Maria virjiny notorontoronina tsy azon-keloka anio. Ao anatin’ny fanomanana ny nahaterahan’i Jesoa Kristy Mesia sy Mpamonjy, indrindra no anasana antsika hitodika manokana amin’ireo mpandray anjara ao amin’ny Evanjely, izay naroso ho sakafontsika anio. Avy amin’Andriamanitra Ray ny hevitra, Izy no mitantana ny tantaram-pamonjena. Tanterahiny anio ilay vinavinam-pamonjena nomaniny ho an’ny vahoakany: Izy no miteny amin’i Masina Maria amin’ny alalan’ny anjely, izay manambara ny fisiany; eo mandrakariva ihany koa Izy amin’ny fanatontosana an’izany rehetra izany.

Manome oha-piainan’olombelona vonona ny hisokatra amin’ny misterin’Andriamanitra i Masina Maria. Nanaiky ny hiara-miasa amin’Andriamanitra izy ary nahay nandray ny fahasoavan’Andriamanitra ihany koa, fa tsy niankina amin’ny herin’ny tenany amin’ny fanatontosana ny sitrapon’Andriamanitra. Manana anjara toerana lehibe eo amin’ny fanatanterahantsika ny sitrapon’Andriamanitra ny Fanahy Masina. Herin’Andriamanitra mitarika antsika makany amin’i Jesoa Kristy Izy ary afaka manova antsika ho ray na reny na anadahy na rahalahin’i Jesoa Kristy Mpamonjy.

Mitondra ny fanantenantsika i Jesoa Kristy, ilay andrasana. Nanaiky ny hiara-monina amintsika ho famonjena antsika olombelona misokatra amin’ny fahasoavany sy maniry ny hovoavonjy ihany koa. Marihina fa mampahatsiahy antsika mandrakariva ny fikatsahana ny famonjena i Jesoa Kristy. Famonjena feno ao aminy: vatana, saina sy fanahy. Famonjena fototry ny fahasambarantsika olombelona dieny ety an-tany.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...