8 desambra 2024 — Alahady faharoa amin'ny Fiavian'ny Tompo— Amboary ny lalan’ny Tompo, ahitsio ny halehany, dia hahita ny famonjen’Andriamanitra ny nofo rehetra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 3, 1-6)

Miditra amin’ny herinandro faharoa amin’ny Fiaviana isika izao, ka ny votoatin’ny asam-pitorian’i Joany Batista no anasana antsika hodinihina sy hiainana mandritra ity herinandro ity. Lazain’ny Evanjely, fa manakoako avy any an’efitra ny feon’i Joany Batista mitory ny batemim-pibebahana ho famelan-keloka. Tany efitra, midika hoe toeram-pahanginana, ao ny fonenany, ao no itoerany, tsy mananosarotra azy akory ny fahanginana sy ny hafanana ary ny fahasarotan’ny fahitana rano sy sakafo. Toa mampianatra antsika ny toe-tsaina tokony hananantsika nahazo iraka hitory ny Evanjely, noho ny Batemy noraisintsika, ny fombam-piainan’i Joany Batista. Mahagaga fa re manakoako io fitoriana ataon’i Joany Batista io, ary ho hitantsika ao aoriana ao fa ho betsaka ny olona hidodododo hanatona azy.

Zava-dehibe noho izany ny fonenana ao amin’ny fahanginana raha tiantsika hahomby ny asam-pitoriana ataontsika. Ao anatin’ny fahanginana mantsy no harenesantsika an’Andriamanitra miteny sy mivolana ary ahafahana mitafatafa bebe kokoa aminy; ao anatin’ny fahanginana no ahafahantsika mandinika bebe kokoa ny efa natao sy ny mbola hatao; ao anatin’ny fahanginana no ahafahana hifampikasokasoka amin’ny Tenin’Andriamanitra. Koa ny Tenin’Andriamanitra torìna nialohavan’ny fahanginana no manaitra ny maro. Miantso antsika kristianina hanome lanja ny “méditation” na koa fandinihana masina ny Tenin’Andriamanitra amin’ity herinandro ity.

Mino aho fa hisy amintsika no hanontany hoe: “fa ahoana ny fanaovana an’izany ?”. Andeha isika hanaraka ny fampianaran’i Jesoa Kristy mahakasika an’izany ao amin’ny Evanjely nosoratan’i Masindahy Lioka 10, 25-28. Dingana teo no atao amin’izany ka ny voalohany ny famakiana ny Tenin’Andriamanitra araka ny voasoratra ao: “Inona no voasoratra ao amin’ny Làlana?”; dingana faharoa: “Ahoana ny famakinao azy?”, izany hoe “inona no tiany holazaina aminao mivantana?”; dingana fahatelo kosa ny fiainana an’io Tenin’Andriamanitra io: “Marina ny navalinao, manaova izany dia ho velona ianao”.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...