1 desambra 2024 — Alahady voalohany amin'ny Fiavian'ny Tompo — Asehoy anay, ry Tompo ny famindram-ponao! ary omeo anay ny famonjena avy aminao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 21, 25-28. 34-36)

Tamin’izany andro izany i Jesoa nilaza tamin’ny mpianany hoe:

“Hisy famantarana eny amin’ny masoandro sy ny volana ary ny kintana,
ary ety an-tany dia ho ory sy very hevitra ny firenena
noho ny fikotrokotroky ny ranomasina sy ny onjany;
ho ankona foana ny olona noho ny fahatahorany
sy ny fiandrasany izay loza hanjo an’izao tontolo izao,
fa hihozongozona ny herin’ny lanitra.
Dia ho hita amin’izay ny Zanak’Olona
avy any ambonin’ny rahona amim-pahefana sy voninahitra lehibe.
Raha vao miantomboka izany zavatra izany,
dia miandrandrà ka asandrato ny lohanareo,
fa efa akaiky ny fanavotana anareo.
Tandremo àry fandrao vesaran’ny fihinanan-doatra sy ny fimamoana
ary ny fiahiana izao fiainana izao ny fonareo,
ka tratrany tonga tampoka aminareo anie izany andro izany e!
Fa ho sahala amin’ny fandrika hahavoa ny olona rehetra mitoetra eto ambonin’ny tany izany.
Koa miambena àry, ary mivavaha mandrakariva
mba ho mendrika ho afaka amin’izany loza rehetra tsy maintsy tonga izany ianareo,
ka hitsangana hiseho eo anatrehan’ny Zanak’Olona”.

Harena ny harena raha mamokatra ary mamokatra ho an'ny besinimaro

Ho an'ny tompon'andraikitra isan'ambaratonga eto amin'ny firenena, Ho an'ny vahoaka Malagasy sy ireo olona tsara sitrapo. Homba anareo mandrakariva anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin'i Jesoa Kristy Tompo ! Indroa isan-taona no manao fihaonana lehibe (Assemblée Générale) izahay Vaomieran'ny Eveka momba ny fahamarinana sy fiadanana (Justice et Paix) cto Madagasikara. Tamin'ity taona 2025 ity dia notanterahina ny 08 May ka hatramin'ny 12 May ny fihaonanavoalohany teto Madiorano - Diosezy Toliara....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...