Alakamisy 16 aprily 2020 — Alakamisy amin'ny havaloanandron'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 24, 35-48 — Ity no andro nataon'ny Tompo, ka mifalia sy miravoa isika.

0 : 00

Mitohy ihany eto ny Evanjely momba ny fisehoan’ny Tompo tamin’ny mpianany : iny alina iny ihany ireo dia niverina nankany Jerosalema, tany amin’ny mpianatra, nandeha nitantara ny zava-niseho, ny fahitany an’i Jesoa tafatsangan-ko velona sy ny niarahany taminy teny an-dalana ary ny nahafantarany Azy teo am-pamakiana ny mofo. Izany no vokatry ny fitsanganan-ko velona : resy ny tahotra, tsy mahalala vizana, maika hifampizara, tsy mahay mikombona amin’ny tena samirery intsony fa misokatra amin’ny hafa. Ka raha mbola tsy tonga amin’izany isika dia tsara manisy ezaka kely mba ho tena Paka ny fiainantsika. Eo am-piresahana izany ireto mpianatra ireto no niseho indray i Jesoa. Niainga tamin’ny sasantsasany, ny tsirairay, ny fisehoany, farany : izy rehetra miaraka. Izany hoe tsy mamela antsika ho irery eo am-panatanterahana ny iraka ampanaoviny Izy fa ampiany isika hanatontosa izany. Na ny tsirairay na ny mitambabe samy tohanany avokoa. Izany ny sakaiza, izany ny mpiara-miasa akaiky : mifanohana hatrany, tsy mamela irery amin’ny andro sarotra.

Ambentin-tenin’i Jesoa isaky ny miseho tamin’ny mpianany Izy, taorian’ny fitsanganan-ko velona ny hoe : "Ho aminareo anie ny fiadanana ! Aza matahotra" Mizara fiadanana Izy, manala antsika amin’ny tahotra. Ny fiadanana eto vokatry ny Paka, izany hoe fiadanan’ny mpandresy fa tsy fiadanana manana izatsy sy zaroa, na koa fiadanan’olon-dresy. Io fiadanana io no naverimberin’ireo Apostoly isaky ny hanomboka ny taratasiny izy ireo, amin’ny fihaonany ka mbola notanana mandraka ankehitriny ao amin’ny litorjian’ny Eokaristia sady iverimberenana fa tsy indray mandeha ihany. Koa meteza mandray izany isika.

Ny tahotra indray : tsarovy fa andro alina no miseho ny tantara, fanampin’izany, maty no mitsangan-ko velona ka ny matotoa, ny angatra, ny lolo… no takatry ny sain’olombelona. Izany no nanjo ireto mpianatra ireto. Te hanala izany i Jesoa amin’ity fisehoana ity ka nilaza hoe : "Nahoana no mitebiteby ianareo, ary nahoana no miahanàhana ao am-ponareo ? Zahao ny tanako sy ny tongotro, fa Izaho mihitsy ity : tsapao ka jereo, fa ny matotoa tsy mba mana-nofo aman-taolana tahaka izao ahitanareo Ahy izao". Ny Paka ihany koa manesotra ny tebiteby sy ny ahiahy, ny mampihanahana, ny mampisalasala, ny mampiroroa saina. Saingy tsy mbola tonga saina ireto mpianatra ka vao mainka nanampy fanazavana i Jesoa, nanaporofo fa tafatsangan-ko velona Izy, nampahatsiahy izay efa voalazany tamin’ny fampianarany tany aloha. Niditra amin’ny fisainantsika olombelona Izy, nanome porofo tamin’izany. Nosokafany ny sain’izy ireo hahafantatra ny Soratra Masina, niainga tamin’ny Tenin’Andriamanitra ihany Izy. Manamafy etoana izany fa Izy Kristy no ambaran’ny Baiboly manomboka amin’ny voalohany hatramin’ny farany. Ka izay tsy mitory Azy tsy izy.

Amin’izao Paka izao iverenana ihany ny hoe aoka ny fiainantsika manontolo no hanambara sy hitory Azy Kristy tafatsangan-ko velona fa tsy ho lasa fombafomba na fahazarana fotsiny ihany ny fankalazana ataontsika. Izany hoe : aoka ho Paka foana ny fiainantsika. Amen.

[Miara-dàalana] Zoma 27 septambra 2024

♦ Hateloana andro izao no nankalazana ny fetin'i Masindahy Vincent de Paul, ho an'ny Diôsezin'i Tolagnaro, nanomboka ny 25 septambra 2024... ♦ Nandresy ny demony i Kristy ary nanome antsika ny Fanahy Masina, mba handresentsika toa azy koa. Io no hevi-dehibe nifantohan'ny Papa François nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience générale, ny 25 septambra 2024... ♦ Nanentana ny hisian'ny fiaraha-miasa sy ny firaisan-kinan'ny firenena ny Papa François, tamin'ny Fitsidihana apôstôlika ivelan'i Roma, andiany faha-46, nataony tany Luxembourg...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...