29 nôvambra 2024 — Zoma, Herinandro Tsotra fahefatra amby telopolo Mandavantaona — Miandrandrà ka asandrato ny lohanareo, fa efa akaiky ny fanavotana anareo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 21, 29-33)

“Fantaro fa akaiky ny fanjakan’Andriamanitra”. Rehefa maka fotoana hijerena ny zavaboary isika, dia fantatsika hoe rahoviana no ho masaka ny voankazo, rehefa ho avy ny fotoam-pijinjana. Ny raviny, ny tsiry, ny voniny dia famantarana izay azontsika, ny toetr’andro mitovy amin’izany koa.

Ahoana anefa ny amin’ireo famantarana avy amin’Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika? Tsapantsika ve fa eo Andriamanitra, efa eo ny fanjakany ary efa manana azy eto an-tany? Tokony ho fantatsika ny fifandraisantsika Aminy. Amin'izao fotoana izao dia maro ny famantarana miseho eto amin'izao tontolo izao... hitantsika izy ireny... kanefa moa ve isika mandinika azy ireny? Mandrahona antsika ny tsy fahampiana noho ny toetr'andro ratsy eran-tany. Ary ahoana ny amin’ny diantsika mankany amin’Andriamanitra? Mahatonga antsika hieritreritra ny tena dikan’ny fiainantsika ve ny zava-mitranga? Ny zava-kendren’ny fiainantsika? Amin’ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra? Ho amin’ny fiainantsika mandrakizay?

Andriamanitra dia tia antsika ary maniry ny famonjena antsika! Enga anie isika hijery ny asan’Andriamanitra ao am-pontsika, eo amin’ny fiainantsika, ka hahatakatra ny halehiben’ny fitiavany antsika sy ny faniriany hiara-hiaina amintsika, ao anatintsika! Fantatsika fa ny Tompo dia milaza faharetana, mampanantena ny ho avy tsy ho ela. Indraindray izy mampiofana antsika amin’ny faharetana, ary indraindray mampionona ny kivy; mampatahotra ny tsy mitandrina, mampihetsika ny kamo.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...