26 nôvambra 2024 — Talata, Herinandro Tsotra fahefatra amby telopolo Mandavantaona— Miambena ianareo ary aoka ho vonona: fa ho avy amin’ny ora tsy ampoizinareo ny Zanak’Olona — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 21, 5-11)

Tsy havela hisy vato mifanongoa. Marina fa rehefa mahita ny fandoroana fiangonana, fandravana fiangonana izay ataon’ny mpisopatra dia mahonena antsika izany, satria tiantsika ny tranon’Andriamanitra. Tsara rehefa manana fitiavana ny tranon’Andriamanitra isika. Kanefa lazain'i Jesoa mazava tsara teo fa tsy ny vato no tsy maintsy hifikirantsika fa ny tenany, ilay Tompo tokana sady Mpamonjy tokana. Ny zavatra hitantsika maso mety ho levona. Fa ny fiombonantsika amin'i Kristy dia tsy misy mahasaraka, raha tena mino Azy tokoa isika, raha miara-miaina Aminy ny fiainantsika andavanandro.

I Kristy dia afaka mihaona amintsika amin’ny fotoana rehetra, toerana rehetra. Moa ve isika maka fotoana hivavaka ao an-trano, hivavaka amin’i Jesoa amin’ny Fanahy sy ny fahamarinana? Moa ve isika maka fotoana hiarahabana Azy ao am-pontsika? Ary rehefa manana fahasoavana amin’ny fananana fiangonana misokatra isika, moa ve isika maka fotoana hijanonana eo, fara fahakeliny, mba hiankohoka amin’i Jesoa sy hanankina ny tontolontsika, izany hoe ilaina ny mamangy an’i Jesoa ao amin’ny Sakramenta Masina. Sa isika, marina fa variana amin’ny raharahantsika manokana isika fa mila mahatsiaro Azy mandrakariva.

Mety ho toa manafintohina ilay fanontaniana, nefa amin’izao andro izao dia any amin’ny faritra miady ny kristianina. Tsy ady amin’ny fiadian’olombelona, ​​fa ady amin’ny fiadian’Andriamanitra. Ny vavaka izao no voalohany amin'ireo fitaovam-piadiana ireo! Aoka àry hosaintsainintsika tsara izay asehon’ny Tompo amintsika ankehitriny, satria mety hiankina amin’izany ny hoavintsika.

 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 oktobra 2025

• Hampahafantarina amin'ny fomba ofisialy, ny 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Hotanterahana eny Bevalala ny fangataham-pahasoavana sy fametrahana eo ampelatan'Andriamanitra ny Taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Sekoly Katolika eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fahazavan'ny Fiadanana sy ny Fandriam-pahalemana ary ny Fanantenana ho an'izao tontolo izao ny Fahamasinana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...