25 nôvambra 2024 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra fahefatra amby telopolo Mandavantaona— Misaotra Anao aho, ry Ray Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny fanjakanao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 21, 1-4)
Mampianatra antsika i Jesoa eto ny tokony ho fomba entina mijery ny hafa. Mahazatra tokoa mantsy ny mijery ivelany. Fa adinontsika mandrakariva ny madinika ny zavatra asehon’ny fon’olombelona, ka hoy i Jesoa amintsika androany hoe saintsaino ny zavatra avoakan’ny fontsika.
Ary henontsika tamin’ny Evanjely teo fa nanopy masony izy ary nandinika ny fomba fandatsahan’ny olona rakitra. Ary nahita fa ilay mahantra no nandrotsaka be indrindra. Satria tamin’ny fony tokoa no nahafoizany. Tsara ho marihina eto fa i Jesoa dia tsy manao tsinontsinona na ny manan-karena na ny mahantra; mijery fotsiny ny hasarobidin’ny fo, ny fanomezana izy.
Eo amin’ny fiaraha-monina misy antsika dia tena zava-dehibe ny vola, dia ankafizintsika ireo izay manao fanomezana lehibe, ary ireo izay manao ny kely dia kely. Manasa antsika hihoatra ny fisehoana ivelany anefa i Jesoa eto, satria raha manome be ny mpanan-karena, dia satria manana ny fananany izy ka zara raha manaisotra izay tena ilaina amin’ny fiainany izany. Ny mahantra manome kely dia misarika ny sainy amin'ny vatany. Tsy faritana amin’ny zavatra atolotra ho an'i Jesoa ny halehibeny fa ny fo mahafoy sy am-pitiavana.
Mangataha fanampian’ny fahasoavan’Andriamanitra mba hianatra tsy hitsara araka ny fisehoana ivelany. Ary miezaha ihany koa hanome araka ny fontsika, araka ny tena fahafahantsika. Izany no mampisy vidiny ny zavatra ataontsika: misy fitiavana sy fahalalahan-tanana. Tahaka ilay mahantra teo dia nomeny izay rehetra nananany. Ary nanana zavatra betsaka izy satria nanana an’Andriamanitra tao am-pony. Aleo manana an'Andriamanitra ao amin'ny fanahinao toy izay volamena ao amin'ny vatanao. Ary marina izany: raha malala-tanana amin’Andriamanitra isika, dia mbola malala-tanana amintsika Izy. Andriamanitra dia afaka manome foana izay ilaintsika rehefa mitoky aminy.