22 nôvambra 2024 — Zoma, Herinandro Tsotra fahatelo amby telopolo Mandavantaona— Ankalazao ny Tompo, ry Jerosalema. Izy Ilay mandefa ny didiny eto an-tany — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 19, 45-48)

 Tonga ao Jerosalema i Jesoa ary miditra ao an-Tempoly, ilay toerana fihaonana amin’Andriamanitra, ilay fonenan’Andriamanitra. Nodioviny ny Tempoly: noroahiny ny mpivarotra rehetra tao. Ny tsara ho fantatra aloha dia biby fanolotra ho sorona ho an’ireo vahoaka avy lavitra tonga hanolotra sorona ao ireo biby namidy tao, ary vola atakalo handoavana ny hetran’ny Tempoly izay voadidy haloan’ny olona rehetra ireo mpanakalo vola ireo. Ny olana voalohany eto dia manararaotra maka tombony be ny sasany, ary lasa ilay fombafomba ivelany manolotra sorona no mibahan-toerana fa tsy tena fitiavam-bavaka amin’ny fo. Io no nahitsin’i Jesoa ka naveriny amin’ny laoniny ny maha Tempoly azy dia ny fampianarana sy ny fandinihana ny Tenin’Andriamanitra ka nahavory olona, nahavondrona vahoaka maro nihaino. Vahoaka izay efa fambara mialoha ilay vahoakan’Andriamanitra, Israely vaovao dia ny Eglizy.

Ho antsika ankehitriny: antitranterina io fanajana ny Tranon’Andriamanitra io, ny fahadiovana, ny fandehanana matetika ao, ny fikarakarana, ny fanitsiana ny fiainana hifanaraka amin’ny fampianaran’ny Evanjely. Samy tompon’andraikitra amin’izany ka aoka tsy hialangalana rehefa antsoina manadio sy mandravaka ny trano fiangonana. Fa ambonin’izany dia ny tenantsika mihitsy aloha no tempolin’ny Fanahy Masina, tempolin’Andriamanitra nanomboka tamin’ny batemy, ka io tenantsika io no tsy maintsy karakaraina voalohany, fenoina an’Andriamanitra, haingoina hatsaram-panahy satria olona manana finoana sy fitiavana no mivondrona ho vahoakan’ Andriamanitra. Amen.

[Miara-dàlana] Zoma 4 jolay 2025

• Omena anjara toerana ao amin'ny Jobilin'ny Olom-boatokana ny fampahafantarana ireo Olontsambatra sy Olomasina Malagasy... • Fivahinianana masina eny amin'ny Katedraly Andohalo no hanamarihan'ny Vehivavy Misionera Katolika eto Antananarivo ny fankalazana ny taon-jobily... • Nankahery ireo relijiozy vavy, hanavao ny fitiavany an'Andriamanitra, ny Papa Léon XIV tamin'ny fihaonany tamin'izy ireo ny alatsinainy 30 jona 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...