14 nôvambra 2024 — Alakamisy, Herinandro Tsotra faharoa amby telopolo Mandavantaona— Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana, hoy ny Tompo; tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 17, 20-25)

Lany andro, mivezivezy any amin’ny toerana maro dradradradraina amin’ny dokam-barotra ny olona sasany, mikatsaka ny fanjakan’Andriamanitra. Nandramana avokoa ny karazam-pivavahana toy ny karazan-tsakafo fadiana, tendrombohitra hitokanana, fomba fitafy miavaka, fomba fiteny manokana. Ny endrika ivelany miova fa ny toetra ao anaty dia ny taloha ihany. Anjakan’Andriamanitra ve ilay olona? Ny hafa indray mifikitra mafy amin’ny toeram-pivavahana mahazatra azy, ny trano fiangonana sy ny fitaovana rehetra ao aminy hatsaraina avokoa, fa ny toetran’ny mpitarika na ny tarihana mifanohitra amin’ny hatsaran’ny aty ivelany. Manaiky hanjakan‘Andriamanitra ve ny olona mivavaka ao?

Indro ny fanjakan’Andriamanitra no anetanana. Ireo fanjakana tsy hita maso, Andriamanitra mitoetra sy manjaka amin’ny fiainan’ny olona iray. Ny tenantsika no tempoly voalohany, fanaovana fanompoam-pivavahana ho an’Andriamanitra, tsy tadiavina any amin’ny toeran-davitra na toerana misy olona marobe izy. Hafa kely ny seza fiandrianan’Andriamanitra: ny fontsika zanak’olombelona. Izay itoeran’Andriamanitra dia misy fioavana. Hita taratra ao ny fiatrehan’Andriamanitra ao amintsika dia misy fiadanana, hafaliana, fahatsarana, fahatoniana.

Ny hiavian’ny fanjakan’Andriamanitra no tian’ny Farasianina ho fantatra ka nanontaniany an’i Jesoa. Tsotra ny valiny dia hoe: “Ao anatinareo ny fanjakan’Andriamanitra”. Ahoana moa izany? Isika dia anisan’ny mpandray anjara amin’ny fanitarana ny fanjakan’Andriamanitra raha vao mandray ny Batemy. Manaraka izany sahady isika rehefa mampanjaka ny didim-pitiavana: tia an’Andriamanitra sy ny hafa ary manaraka ny sitrapony. Ny Eglizy Fiangonana velona no manampy, sy mitaiza antsika hiaina izany amin’ny alalan’ny fihainoana ny Tenin’Andriamanitra, vavaka sy ireo asam-pamonjena isan-tokony. Ka aoka isika tsy ho lany andro na ho voatarika etsy sy eroa hitady ny fanjakan’Andriamanitra sy ny fotoana hiavian’izany, santatria. Fanjakan’Andriamanitra ny fiainantsika raha mifankatia isika.

Manomboka ety an-tany ny paradisa. Koa ampanjakao ao am-pontsika ny Tompo, ataovy lohalaharana ny fiainana ny didy aman-dalàna, dia hanana ny fiadanam-po isika.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 11 nôvambra 2024

♦ Manasa antsika hivavaka ho an'ireo ray aman-dreny namoy ny zanany, ny Papa François, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity volana nôvambra ity... ♦ Nohamasinana ho diakra omaly tao amin'ny EKAR Masindahy Ignace de Loyola Soamanandrariny, i Fr Stephan Marie de l'Eucharistie Rasolonjatovo, avy amin'ny Fikambanana Société des Divines Vocations... ♦ Nanentana ny mpino rehetra ny Papa François, nandritra ny vavaka Angelus ny 10 nôvambra 2024, mba hiady amin'ny fihatsaram-belatsihy, fa hanao ny tsara tsy amim-pisehosehoana...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...