13 nôvambra 2024 — Alarobia, Herinandro Tsotra faharoa amby telopolo Mandavantaona— Ankalazao ny Tompo, ry Jerosalema, Izy Ilay mandefa ny didiny eto an-tany — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 17, 11-19)

Faniriana ao am-pon’ny olona rehetra ny ho velona finaritra, ho afaka amin’ny rofy. Miezaka sy tsy mitsitsy vola aman-karena mba ahahazoana fahasalamana. Tsy zakantsika ny mahita ny havana na olon-tiana mijaly sy alamaky ny aretina, fa vao mainka mafy noho izany ny hamafin’ny habokana izay sady itondrana fangirifiriana amin’ny vatana, no itondrana fangirifiriana ao am-po noho ny fanilikilihan’ny fiaraha-monina. Tsy hoe mitoka-monina tahaka ny boka fa atoka-monina tahaka ny boka. Anisan’ireny ireto boka folo lahy lazain’ny Evanjely androany. Nitsena an’i Jesoa hiakatra ho any Jerosalema. Ho azy ireo araka izany, dia tsy misy toy izany ny hafalian’ny fahatsarana satria sady fitsaharan’ny fijaliana na fiverenana indray eo anivon’ny fiaraha-monina, fahazoana indray ny zo izay efa nafoy, satria nahilikiliky ny fiaraha-monina. Folo izy ireo hoy i Masindahy Lioka, izany hoe afaka nanangana fiangonana, Sinagoga araka ny lalàna nifehy ny Jody, isan’ny olo-masina nangatahan’i Abrahama mba tsy handravana ny tanàna (Jen 18). Ny habokan’ny fahotana anefa dia mety hampiombona antsika ka tsy hanaovana ezaka intsony hitadiavana vahaolana hialana aminy.

Raha ny marina dia tsy voatery handalo an’i Samaria sy I Galilea i Jesoa mba hiakatra ho any Jerosalema. Izany no nataon’i Jesoa dia satria tsy afaka ny ho any Jerosalema izay manadino ny Samaritanina. Tsy afaka hankalaza ny voninahitr’Andriamanitra izay manadino fa any Galilea misy rahalahy sempotry fiainana, variana amin’ny jono sy ny fivelomana ka mety adino hatramin’Andriamanitra sy ny hasina maha zanany antsika. Tany no nandalovan’i Jesoa hitaona azy ireo hiakatra ho any Jerosalema.

Mandehana miseho amin’ny mpisorona, izay no fanafodin’ny habokana natoron’i Jesoa ilay mpampianatra. Midika zavatra maro izay fisehoana amin’ny mpisorona izay: fanarahana ny lalàna, fiakarana ho any Jerosalema. Tsy hiaviana amin’izay fahantrana izay ihany anefa satria mbola mety harary indray, ny tena maha kristianina fa mila mizotra ny lalam-pamonjena hahatongavana any amin’ilay Jerosalema voavao. Raha manam-pinoana sahala amin’ny voatsinampy isika dia mahavita fahagagana, mahavita hanova na dia izay fahazaran-dratsy lalim-paka aza. Dia notohizany tamin’ilay Samaritanina hoe ny finoana no nahavonjy anao. Inona izany finoana izany? Inona no mampiavaka ilay Samaritana tamin’ireo sivy lahy hafa sitrana? Ny fahatsapana fa sitrana ka nahatsiaro ny soa voarainy, hany ka niverina hisaotra ilay loharanom-pahasitranana, ilay Jesoa avy any Nazareta =, ilay mpisorombe avy any Jerosalema = vaovao.

Izany fahaizana misaotra sy mankasitraka ny Tompo izany no atao hoe finoana. I Naàmana anisan’ireo sitrana tamin’ ny habokany dia nahavita nitondra tany roa lasaka avy any Jodea mba hanolorana sorom-pisaorana amin’ilay Andriamanitr’ilay Israely, satria lehibe loatra ho azy ny soa azony. Isaky ny manolotra ny Eokaristia Masina isika dia manolotra sorom-pisaorana, mahatsiaro fa tiana, mahatsiaro fa niangaram-pitiavana, voavela heloka, sitrana ny habokan’ny fahotana rehefa avy niseho tamin’ny mpisorona amin’ny sakramentan’ny fampihavanana.

Izay fahatsiarovan-tena ho sitrana izay dia tsy afa-misaraka amin’ilay loharano niavian’ny fahasoavana, ka anekena mba hiseho amin’ny mpisorona ka hanolorana ny hasina sahaza an’Andriamanitra. Izay no mahatonga ny Eokaristia sady loharano ho faratampon’ny famonjena antsika, satria avy aminy no ahazoantsika ny hery fiarovana. Ao aminy no tokony hidodododoantsika ka hisaotra, satria izay no famonjena ho antsika. “Nahavita zava-dehibe tamiko ilay Mahefa, Masina ny anarany”, hoy Masina Maria ao amin’ny tononkirany. Tsy ho sasatra ny hitanisa ny soa azontsika isika, hanalotra sorom-pisaorana, hiantsa hira vao ho an’Andriamanitra.

[Miara-dàlana] Zoma 20 desambra 2024

  • Hosokafana ny alahady 29 desambra 2024 ny Varavarana Masina ao amin'ny Katedraly Masina Maria tsy azon-keloka, ho fanamarihana ny fanokafana ny fankalazana ny Taon-jobily eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo...
  • Nanomboka andiany vaovao amin'ny katesizy, mitondra ny lohateny hoe: “I Jesoa Kristy, fanantenantsika”, ny Papa François ny alarobia 18 desambra 2024...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...