10 nôvambra 2024 — Alahady Tsotra faharoa amby telopolo Mandavantaona— Misaotra Anao aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 12, 38-44)
Mahina ny mpanora-dalàna… mbola fampitandremana mahakasika ny mpanora-dalàna aminy ihany no hanombohan’ ny Evanjely anio. Omaly nanontanian’ i Jesoa antsika ny antony nahatonga azy ireo nilaza fa zanak’i Davida ny Mesia. Anio kosa indray ny fomba fiainan’izy ireo mitady ny voninahitra hisehoana ho ambony noho ny hafa no himatimatesana kanefa ny fananan’ny mpitondra tena no hohanina.
Matoa mamerimberina mampitandrina antsika toy izany i Jesoa dia satria hitany ny maha zava-doza ny vokatry ny tsy fitandremantsika. Ny mpanora-dalàna moa dia izy ireo natokana mba hanoratra izay tokony ho soratana rehetra, saingy tao aorian’ny fahababoana tany Babilona dia izy ireo no lasa mpitantana sy mpamaofy ny hevitry ny lalàna mihitsy aza, ka indraindray noho ny firehan-kevitra tsy mitovy sy ny mety ho fiarovana ny tombontsoa sy ny voninahitra dia manjary mifanohitra amin’ny tena finoana marina ny fanapahan-kevitra raisina na dia eo anatrehan’ny Sanedrina sy ny mpisorona ambamin’ny loholona aza no hanambarana izany.
Omaly dia fanambarana momba ny Mesia zanak‘i Davida no nolazain’i Jesoa eo imason ny olona, dia ny marina ny filazany satria zanak’i Davida araka ny lalàna i Jesoa saingy tsy neken’izy ireo kosa ny maha Tompo, ny maha Andriamanitra an’io zanak’i Maria sy Josefa io na dia voalazan‘ny Soratra Masina ihany koa aza izany.
Anio kosa indray dia ny fomba fiainany no lazain’i Jesoa. Tia ny mitsangatsangana, miakanjo mirebareba avy amin’izany no hisehosehoana eo imason’ny hafa, andraikitra sy ny fahamboniana, ny fiarahabana, arahabaina no dikan-teny eny amin’ny fipetrahana voalohany. Ny toerana ambony (table d’honneur) ao amin’ny fisakafoanana, miseho amin’ny fivavahana lavareny (vavaka lehibe) ka tsy maintsy atao saingy ny fananana ao an-tranon’ny mpitondra tena no taperina amin’ny vola alaina etsy sy eroa. Marina fa nolazain’ny Tompo fa mendrika ny karamany ny mpiasa ka izay mitory ny Evanjely dia mahazo fivelomana amin’izany asa izany. Mampalahelo ny mahita mpiandraikitra ny Fiangonana sasany tsy raharahin’ny mpiangona akory, saingy raha tsy mitandrina dia mpanora-dalàna vaovao ao amin’ny Eglizy izay tsy misy valaka amin‘izany fomba fiainan’ireo tantarain’ny Evanjely anio. Raha jerena avy aty ivelany dia mazava ny lazain’ny Evanjely, hohelohina mafimafy kokoa izy ireo. Tsy fisehosehoana fa fanompoana no iantsoan’i Kristy ny mpianany ka hasainy hitandremantsika.
Ny tapany faharoa amin’ny Evanjely dia mampianatra antsika kosa ny fitondran-tena mifanaraka amin’ny Evanjely. Raha sanatria isika no iharan’ny fanararaotan’ny maty eritreritra tahaka ireo mpitondra tena ka vary roa venty navelany ao an–tranontsika. Tsy valifaty sanatria no tokony hamenoana ny fo fa ny fitokisana tanteraka kosa amin‘Andriamanitra.
Tsy ambim-bava no atolotra ho fanatitra ho tehirizina ao amin’ny fitoeran-drakitra ao amin’ny ilazan’ny Evanjely fitoeran-drakitra izany hoe toerana hitahirizana ny harena mba hampiasaina amin’ny fitantanana ny tempoly sy ny fitsinjovana ny mahantra izay matoky tanteraka an’Andriamanitra ka manankina aminy ny anjarany (Sal 37, 5) ny manome alalana azy hiasa hampamirapiratra toy ny mazava ny fahamarinana sy ho toy ny andro mitatao vovonana ny fananana ny rariny (Sal 37, 6). Atoron‘ny Evanjely ny làlan’ny fitiavana. Isika na dia vary roa venty aza sisa no eo am-pelatanantsika saingy angatahany mba harotsaka ho fandraisana anjara amin’ny fiombonana. Tsy mangataka antsika an’izay tsy ananantsika Andriamanitra saingy mangataka kosa mba hahafoy manontolo mba hahafahany miasa sy mampiseho amintsika ny voninahiny. Izany no fampiharana didy nomeny antsika dia ho tia azy amin’ny fo, fanahy, saina sy hery manontolo.
Ny Fo anie hanazava antsika ka hitomboan’ny fitokisantsika Azy.